Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe farany
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
farany
Hampiditra ohabolana
1.
Tsy mitsinjo ny farany ohatra ny andevo mahita fotsim-bary
todisoaerickbruno9
2.
Banga mifanoroka, ka fotodela no farany
mthzah
3.
"Amin'ny izay rehetra atao, tsarovy fa misy ny farany"
manirii
4.
Mitery omby tsy mirohy hoatra an-dRabemalo, ka ho fatin'ny daka no farany
yveratsimb
5.
Diamangam-boka: hehy no farany
yveratsimb
6.
Kalon' antitra ka tany no farany
yveratsimb
7.
Ny hazo tapahina manam-pototra, ny hazo vakina misy ilany, ny teny atao misy farany.
niryna
8.
Raha mbola hisy koa ny farany dia tsy ho foana ny fanantenako
walte
9.
Atodin-tetso: sady farany, lohany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
10.
Toy ny taretra ka ny farany ihany no alain-taranaka.
soanja
11.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
12.
Za-dratsin'ny mangalatra, ka nony farany mifanena amin'ny mpaka kitay.
aivetinakely
13.
Bevohoka mitsinjo ny farany, mihinan-dravim-bomanga andro aman'alina.
aivetinakely
14.
Mora lasa vinany tahaka ny vehivavy, miantsampy hazo tsy fantatra no iafarany.
aivetinakely
15.
Vinanto tia fosa rafozana, tsy mitsinjo ny ho farany.
aivetinakely
16.
Ny ela nandeferana tsy mahandry ny ho farany
aivetinakely
17.
Toy ny kalon antitra, ka tomany no farany.
kanto1
18.
Miriorio ny angidina ka any an-kady no hiafarany
niryna
19.
MIriorio ny angidina kanefa any an-kady ihany no hiafarany
niryna
20.
Izay mihomehy farany no lava fotoana hihomehezana
niryna
21.
Miriorio toy ny angidina kanefa any an-kady ihany no ihafarany
niryna
22.
Miriorio ny angindina fa any an-kady ihany no hihafarany
niryna
23.
Hiran'Ikalamomba, ka ranomaso no farany.
ikalamako
24.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany.
niryna
25.
aza tsy tia vady, fa tsy ny voalohany no vady, fa ny farany
latina
26.
fitiavan'alika ka fifandroritana no hiafarany
nalaina
27.
Mifankatia tsy mifamarafara, ady no farany
zouzou
28.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
29.
Jamba mifampitantana ka any akady no hiafarany
doum
30.
Ny manaiky lempona iandronan'ny rano sady ho voatondro maso amin'ny andro farany.
jentilisa
1
2
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1301