Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hena
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hena
Hampiditra ohabolana
1.
Antidahy mangetotra antsena, laza no tadiavina, henatra no azo.
Darystide
2.
ratsy tarehy be vody ,voninahitra ho an'ny fandriana fa henatra hoan'ny fiaraha-monina
kafaariaryefatra
3.
Ny fahavoazana dia mahafaoka henatra
rado_albert
4.
ny henatra tsy ahavitan-draharaha
rado_albert
5.
Henan' ny mpitsoka mozika, ataovy tsara zara fa vidim-pofon' aina .
ikalamako
6.
Mihena an-toerana toy ny fen'antitra
OZ16
7.
Ny ômby hena, ny vola taratasy, ny tanimbary fotaka fa ny ona ro ona
OZ16
8.
mampisalasala tahaka n vozon'akoho;hanina taolan,hariana hena.
SYLLA8
9.
Vola volambolagny, hena mandrekitsy an-kỳ; ndre atao mamy gny tantely, lakolako gny sỳ
Longonao
10.
Andevolahy mamosavy tompo : voky hena indray andro fa hiongo-belona herintaona.
yveratsimb
11.
Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
yveratsimb
12.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba ?
yveratsimb
13.
Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
yveratsimb
14.
Ny henamaso ombalahy
yveratsimb
15.
Lany hena alohan' ny olona ka ny nify no aolanolana
yveratsimb
16.
Ny manana omby manana hena, ny manana fahaizana manana harena.
aivetinakely
17.
na haiko aza ny fanafodim-balavo, de zaho tsy hamehe hena an-tsiky
DEDAKE
18.
Alaon'ny andro nampakarana anie aho: ny hena be, ny fitia nandroso; ka sady Ramatoa aho no Raivo.
soanja
19.
Taolan-kena mahia ka na dia tsy hena aza dia fofy.
soanja
20.
Ny anana aza mahavaly hena.
soanja
21.
Njarahy be be isy zao hoe, ka "hena be" tsy hay trebehy!
sylvoalias
22.
Faly sahirana tahaka ny vahiny tolorana vozon'akoho, jeren'ny maso toa hena azo hanina fa tsakoin'ny nify toa taolana mikarepoka.
thonli
23.
Ratsy anarana tahaka ny hena fizara am-paty.
aivetinakely
24.
Mandidy hena ambony fe, manao sorona ny saro-pady.
aivetinakely
25.
Aza manome toky tsy ho tanterahina fa mampihena ny fatoram-pihavanana.
aivetinakely
26.
Manalasala toy ny vozon'akoho, hariana toa hena, hohanina feno taolana
aivetinakely
27.
Tambotriky antanimena tsy vazay ndra kely hena!
sylvoalias
28.
Ny lambo mena hena fa matanjaka, ny kisoa madio hena fa malemy modaka
aivetinakely
29.
ka manjomotsy hena fa hamea mesa
soaharytoliary
30.
rafotsibe namozafy zafikely, voky hena herinandro fa ringi-bolo heritaona
zanakantitra
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3557