Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe hitahy
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
hitahy
Hampiditra ohabolana
1.
Raha razana tsy hitahy mifohaza iady vomanga
aer0jhony
2.
Raha zaza tsy hilalao, mitoera ho isan’ny tanora. Raha tanora tsy hiasa, mitoera ho isan’ny antitra. Raha antitra tsy hitafasiry, mandehana ho razana, ary raha razana tsy hitahy, fongary hihady vomanga
yveratsimb
3.
Manalokaloka toy ny razana tsy hitahy.
sylvoalias
4.
Raha zaza no tsy hilalao modia ho tanora, raha tanora no tsy handihy modia ho antitra raha antitra no tsy hampiady kalo, modia ho razana, raha razana no tsy hitahy mifoha hiady vomanga
doum
5.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hiady vomanga
JMR
6.
Zaza no tsy hilalao mandihiza ho tanora. Tanora no tsy handihy mitafà ho lehibe. Lehibe tsy hiresaka midira ho antitra. Antitra tsy hitso-drano, mitahian-ko razana, fa raha razana tsy hitahy mifohaza hiady vomanga
jentilisa
7.
Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0835