Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe kitay
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
kitay
Hampiditra ohabolana
1.
Aza milaza ho tsy kitay,tsy vary maina;fa tsy fantatrao izay havoakan'ny ampitso.
Ny_Arlinah
2.
Tanora ratsy fihary ka maka kitay fotsy volo
OZ16
3.
Vitsika momba kitay ka harivariva an-tanin'olona
OZ16
4.
Tanora ratsy fiary ka maka kitay fotsy volo
5laody
5.
Ambohimanambola no matavy omby ka Antananarivo no lafo kitay
yveratsimb
6.
marary manetsa; mifidy na hantsaka na haka kitay.
itaramasoandro
7.
aza mikiraro ambony kitay, ka manao laniala am-pisoronan’afo.
itaramasoandro
8.
Naka kitay tsy mirehitra, ka afaka adidy amin'ny fatana.
soanja
9.
Sodokan'ny atao mandrosoa ka miantsampy eny ambony kitay.
soanja
10.
Raty namehezan-kitay, ka miara-devona amin'ilay nofehezina.
soanja
11.
Za-dratsin'ny mangalatra, ka nony farany mifanena amin'ny mpaka kitay.
aivetinakely
12.
Manaram po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
kanto1
13.
Ny vanja tsy manda afo, ny afo tsy manda kitay
niryna
14.
Mitafa amin'ny mpanan-karena ka mita-kitay atao hiditrano
niryna
15.
Tsy misy ny afo raha tsy misy kitay, tsy misy ny ady raha tsy misy ny mpifosa
niryna
16.
Vitsika omban-kitay ka harivariva antanin'olona
aivetinakely
17.
Anjeva no matavy omby ka ambohimalaza no lafo kitay
rakotomahenina76
18.
manaram-po fahazaza ka maka kitay fotsy volo
jentilisa
19.
Vitsika momba kitay ka harivariva an-tanin'olona.
jentilisa
20.
Hariva an-tanin'olona toa vitsika momba kitay
JMR
21.
Manaram-po fahazaza, ka maka kitay fotsy volo
hery
22.
Ratsaramiangola no lena fividy kitay ka Rabozimanga no didi-maso amin'ny setroka.
jentilisa
23.
Fitia naorina teny am-pakana kitay no rava eo am-pisoronana afo
ravaky
24.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2748