Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe latsa
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
latsa
Hampiditra ohabolana
1.
Torabato avy any andanitra ny fahafatesana , ka tsy fantatra izay ho latsahany.
Benjamadagasikara
2.
Jamba mangery amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tainy.
Ny_Arlinah
3.
Ilatsaham-baratra eo am-pangerena, ka sady maty no mihosin-tay
tenymamy
4.
kakazo maro sefaka tsy ilatsaha magnaniky
jidal
5.
Aza atao fitia an-tendro-molotra fa ataovy fitia latsa-paka
OZ16
6.
Toy ny lel'afo be latsaka avy an-danitra ny fahatarana(@olona) ka sarotra vonoina nefa mampijaly
tiaviniainagasy
7.
Maha latsa ahy ty akoho tsy mitsako ro toro tay!
vorihery
8.
rafotsibe hangery amoron-tevana,latsaka alohan'ny tainy
sakaiz
9.
sahobakaka latsaka am-pantsakana, ny hevitra ivoahana misy fa ny hoza-body no tsy maharaka
5laody
10.
Ny latsaka am-po tsy hamelona, ka ny an-tendro-molotra indray no lelafina
yveratsimb
11.
Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana
yveratsimb
12.
Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
yveratsimb
13.
Latsaka anaty toy ny vavaky ny moana
DARInts
14.
Nilatsahan'ny varatra eo am-pangerena, ka sady maty no mihosontay!
sejianis
15.
lava nify latsaka amoron-tevana ambaraky ny efa ho faty mbola mitsiky ihany
andrianaly
16.
Akora latsaka an-drano: madigny Zanahary hamelona. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
17.
Takognam-paty nilatsahan'antsangoa; tsy hita na atambon' gny maty sa lozan'gny velona
soanja
18.
Ondrilahin'Ambohimangidy: tonga soa vao latsa-bidy.
soanja
19.
Andevolahy maty vady; sikajy latsaka erany no azy, ka "lanio izay ho lany!"
soanja
20.
Mpanompolahy latsaka avara-patana ka saro-miala.
soanja
21.
Ny latsaka te hitovy, ny mitovy te hihoatra.
soanja
22.
Vikin'alina ka aleo tafahoatra, toy izay latsaka.
soanja
23.
Hodin-tsokatra ilatsahan-kavandra ka mikoriana any ivelany.
soanja
24.
Voalavo latsaka an-ketona, ka halavoana leo ihany fa ny akoralava no tsy laitra.
soanja
25.
Mijaingijaingy tahaka ny rafozana voalatsa.
aivetinakely
26.
Fosafosa mankarary vinanto, latsalatsa mampahory rafozana.
aivetinakely
27.
Banga manao solo-nify, afa-kenatra eo am-pihomehezana fa latsa-dranomaso eo am-pihinanana
Raherizo
28.
Volamena latsaka am-bovoka, ka tsy avelan'ny masony tsy hamiratra.
aivetinakely
29.
Mangery amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tay
rafan78
30.
Aza mandray ombalahy latsaka an-tatatra fa raha afaka izy manoto.
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0882