Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe loha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
loha
Hampiditra ohabolana
61.
Akanga lahy miady tsatsangotra: sola loha foagna. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
62.
Lohan'aomby aroe tsy tandry vilagny araiky. (Ohabolana Antakarana)
soanja
63.
Beloha mandeha an'ady ka mitonon-tena amin'ny tsy antony.
soanja
64.
Lany aloha hoatra ny sakafon-doholana.
soanja
65.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny.
soanja
66.
Parasin'Ambohimanoa: ny vavy be loha,ary ny lahy kibotaina, ka samy mahalala ny anjarany.
soanja
67.
Ho anao avokoa va Ibabay sy Lohavohitra?
soanja
68.
Tsara loha ka endrehin-drandrana.
soanja
69.
Voron-tsaporetika, papango didimaso, ka jereo aloha ny tena vao manenitra ny sasany.
soanja
70.
Atodin-tetso: sady farany, lohany. (Ohabolana BETSIMISARAKA)
soanja
71.
Aleo ravim-bohoimanga tsy arahin-dromoromo,toy zay hanim-pitoloha arahin-datsa
andrebabe
72.
Akohovavy maneno, ka ny loza ho an'olona lazainy,fa ny angady hitomboka ny lohany tsy fantany.
soanja
73.
Misovoka ohatry ny lohan-gisa.
soanja
74.
Tsy mifoha alohan'ny goaika.
soanja
75.
Fambara loza ny goaika tokana eny alohan'ny lalana izorana.
soanja
76.
Fody lahy mena vary ka manandrana alohan'ny tompony.
soanja
77.
Tsy maneno alohan'ny fitatra.
soanja
78.
Toy ny aviavy ka mangidy am-boalohany, fa mamy amin'ny farany.
soanja
79.
Loharano niteraka ny ony.
soanja
80.
Sorona afon'adala, ka ny eo aloha tsy levona, ny aoriana asesika ihany.
soanja
81.
Vovonana iadian'ny lohany.
soanja
82.
Ny lohasaha fandrianny moka.
soanja
83.
Kapok'alikan'ny belanonana, ka voa ny lohany, voa ny tendany, voa ny kibony.
soanja
84.
Na handeha mbamin'ny lohako aza tsy ho vazaha mihitsy aho rehefa tsy te ho vazaha.
soanja
85.
Aza manao loham-boto ka efa fantatra fa tsy omby mbola sisihana ihany.
kimbol
86.
Izaho andrandrana indray ve no anafenana loha sola
niryna
87.
Sola mangery diavolana, tsy fantatra ny loha sy ny vodiny
Ratianakel
88.
Aza atositosika ny sarimbavy fa tsy fantatra izay hanao feo voalohany.
Mahasahy
89.
Aza ny lohasaha mangina no jerena, fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha
heureuse
90.
Katsaka anaty lapoaly ka izay tsy mahatanty mipitika aloha.
aivetinakely
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166