Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe loha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
loha
Hampiditra ohabolana
301.
Aza mandidy alohan'Andriamanitra tahaka ny olona mampanotrika atodiakoho ka manao hoe ity kokolahy ity kokovavy.
jentilisa
302.
Loharano tsy dikain'ny zinga, ary ny zoky tsy ialohava-mandeha
jentilisa
303.
Tsy mety ny mitsako alohan'ny vazana, na kely mialoha andriana tahaka ny tehina
jentilisa
304.
Lany hena alohan'ny olona ka ny nify no aolanolana
ftma
305.
Ny fihavanana toy ny fasam-bazimba ka izay mandrava aloha no kely ila
McFy
306.
Maty manao soa izy, mandefitra vao vaky loha
McFy
307.
Ataovy toy ny dian-tanalahy, tsinjovina ny eo aloha, jerena ny aoriana.
jentilisa
308.
Fomban'ny sarety ny mandeha mialoha
vale
309.
Mandia tany tsy maintsy solafaka, miloloha lanitra tsy maintsy lena
vale
310.
Tsy ambony tsy ambany toy ny lohalik'alika
vale
311.
Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha!
vale
312.
mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena.
ftma
313.
Toy ny saonjo iray lohasaha, ka tsy ilaozan'izay mamarara
Fanja1
314.
tranoben'Antananarivo, izay mahavita aloha no manenina.
jentilisa
315.
rafotsibe mikakà amoron-tevana ka latsaka alohan'ny tainy
gasitiako
316.
Miara-dia samy miavona ka ny eo aloha tsy miandry, ny ao aoriana tsy miantso
Avahi
317.
Ny nenina tsy aloha fa aoriana.
lanto
318.
Saonjo iray lohasaha : tsy ilaozan'izay mamarara.
lanto
319.
Aza manao toy ny jorery : ny feo mampita lohasaha, fa ny tenany tsy ampy indraim-bava.
hery
320.
Toto vary lena ka samy te-ho lohany
hery
321.
Aza manao masoandro ririnina, manjombona andro hihaonana ; fa aleo masoandro be lohataona, ka tsy mba manam-pahasosorana
hery
322.
Aza ny vato handràtra ny loha ihany no sainina, fa mba hevero koa ny fasika handitsoka ny maso.
hery
323.
Tahaka ny tokon-kena ny fanambadiana, ka ao ny sendra ny trafony, ary ao kosa ny sendrany lohaliny.
hery
324.
Aza ny lohasaha mangina no heverina, fa Andriamanitra ao an-tampon'ny loha
hery
Voalohany
Mialoha
9
10
11
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016