Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe naman
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
naman
Hampiditra ohabolana
1.
Ny naman-kanírina manjàry havana, ny naman-kandrendrika tonga fahavalo.
Maminirinaheryz_
2.
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
Michel07
3.
Adidinao tsy namangy fa ny aretiko sitran-tsy miody.
BEDOGAIGY
4.
Aza manaw toy vary an-tsaha tonga namana haka vao mavomavo
FENOSOA2
5.
Amboa mitsilany,tsy hanin'ny namany.
NIAINATOKY
6.
Mifankatiava ny velona fa ny maty efa tsy namana
yveratsimb
7.
Anambadian-ko namana, iterahan-ko dimby - Anambadian-ko namana, iterahan-ko solofo.
yveratsimb
8.
Akoholahy jamba ka ampiadiana tsy mety miady, apetraka mitsaingoka ny namany.
aivetinakely
9.
Volom-bodin'akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian'ny namany.
aivetinakely
10.
Aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana.
yveratsimb
11.
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
yveratsimb
12.
Ny vava : tapaka fa tsy namana
yveratsimb
13.
Voanemba mitsipika anjoron-trano ny zanaka manam-bady havana ,tsy very fa miharo amin'ny namany.
aivetinakely
14.
omby mhia tsy lelafin'ny namany.
hussein
15.
Ny fo ranomafana, ny tendrom-po tsy mba namana
niryna
16.
Ny (...n') alika mahia tsy lelafin'ny namany
josla
17.
1/ Jaolahy nitombohom-bàviny, resy amin'ny fitiavagna 2/ Jaolahy nitomboko tomboay, tsy mahay fa kafiry 3/ Jaolahy nitombo-bosy, vatany fagnefany 4/ Agnomby mahia tsy lelafin'ny namany 5/ Namono agnomby, nitono kobantigny, tavin-draha samby isany
SEVAMBONY
18.
Gisalahy lasa namana ka ny sisa mihiaka ihany.
soanja
19.
Ranon 'Ikopa ka tonga namana vao mavomavo
ANJARA7
20.
Izay diso matahotra lany hery, fa ny matoky tena very namana
aivetinakely
21.
Rafotsibe nisika fary, ka ny natao hanamando ny tenda no nikiky ny akanjon'ify.
aivetinakely
22.
Ny tena namana dia izay mahafantatra anao ary mbola mitovy foana ny fitiavany anao
niryna
23.
Ny tena namana tsy miraharaha na tsy mitovy aza ny ba kiraronao
niryna
24.
Ny vady filàna hevitra , ny namana mpanavotra amin'ny sarotra
aivetinakely
25.
Ataovy maro ny namana fa iray ihany no atokisana
niryna
26.
Tonga namana vao mavomavo toy ny ranonan'ony.
niryna
27.
Ny afo, ny rivotra ary ny orana no namana indrindra sy fahavalo ratsy indrindra
niryna
28.
Lazao ahy ny namanao ahalalako ny toetranao
niryna
29.
Aza manao toy ny ranon'Ikopa, tonga namana vao mavomavo.
aivetinakely
30.
Aza ny namanao no ifaninananao fa ny tsara vitanao omaly.
aivetinakely
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3209