Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe ndrao
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
ndrao
Hampiditra ohabolana
1.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
2.
Roborobo no an'ny vahiny, fa ny tompon-trano no mandraoka ny lavenona.
soanja
3.
Be tsy andraofana tahaka ny tanam-poza.
aivetinakely
4.
Aza tia torimaso fa ndrao hotonga malahelo
doum
5.
Mandamina ny an'olona nefa feno tseroka sy mirongo fakofako tahaka ny fihogo sy fandraotra ibangoana.
jentilisa
6.
rano tamim-bato, be ampizahana fa tsy azo andraofana
jentilisa
7.
Aza mandrao-bary ao an-trano hafa
hery
8.
Aza lozabe manana anaka, andrao tsy manan-dray ny zaza
McFy
9.
Aza mamelon-jana-baratra andrao iriatany
McFy
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0246