Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe rahampitso
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
rahampitso
Hampiditra ohabolana
1.
Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.
yveratsimb
2.
Sambo-balala main'andro ka raha tsy azoko anio, azoko rahampitso
yveratsimb
3.
Toy ny sakay ao anaty tavoahangy ny fiainana,izay nohaninao anio no havoaka rahampitso.
niryna
4.
Betsileo tia sangy, ny rahampitso no tsinjoviny
aivetinakely
5.
Zaza be hanta, tsy mihevitra ny ho rahampitso.
aivetinakely
6.
Mivadibadika sahala amin'ny lela may, ny eny anio tsia rahampitso.
aivetinakely
7.
Safidin'adala, hafa ny anio, miova rahampitso.
aivetinakely
8.
Ny lalana nahazatra omaly no mety hamotika rahampitso, ka diniho ihany ny atao
aivetinakely
9.
Masoandro eo faravodilanitra, rahampitso ho hita izay jovana ny ho avy.
mangamaso
10.
Izay tia rafozana mitsinjo ny rahampitso, izay malay vady mandrava ny androany.
aivetinakely
11.
Jambam-pitiavana toy ny sahona nanambady bibilava ka tsy mihevitra ny rahampitso.
sylvoalias
12.
Raharaha tokony atao anio aza hiandrasana rahampitso
niryna
13.
Hazavao amin'ny jironao androany ny fiainanao rahampitso
niryna
14.
Sambo-balala main'andro, ny tsy azoko androany, hoazoko rahampitso.
aivetinakely
15.
Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaky ny ampitso aho tia olon-kafa.
kofaakama
16.
Sambo-balala main'andro, tsy azoko androany azoko rahampitso
herikely
17.
Ny vola toy ny vahiny: tonga anio, lasa rahampitso.
jefra
18.
ny vola tsy mandry lalana toy ny rano : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
19.
ny vola toa ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso
zouzou
20.
Sambo-balala main'andro tsy azo anio azo rahampitso
doum
21.
Sambo-balala main'andro raha tsy azoko anio azoko rahampitso
JMR
22.
Aleo maty rahampitso toy izay maty androany
JMR
23.
Ny vola toy ny vahiny : tonga anio, lasa rahampitso
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0924