Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe raharaha
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
raharaha
Hampiditra ohabolana
1.
ny henatra tsy ahavitan-draharaha
rado_albert
2.
Mpamosavy miana-draharaha ka ny ao an-trano ihany no lanahana
OZ16
3.
Kely be raharaha toa fangaraka ka ny trano atao, ny feta taomina, ny farara tsofina
Nofy Ny Fitia
4.
Boka homan-kitoza, faly am-pihinanana fa ny manala kaka nom raharaha
raksolom
5.
boka manao slow, raharaha ny mba te hanao zay mba ataon 'ny olona e
ravelobe
6.
Tsy fidin'ny angady ny hitrandraka ny andrian-tany, fa asesiky ny zara raharaha.
soanja
7.
Raharahan'Imantasoa: ny miera mandoa venty; ny mandeha fotsiny maty loso.
soanja
8.
Andevolahy mampirafy, manita-draharaha.
soanja
9.
Manandraharaha ny dokotra fa merika ny andro.
soanja
10.
Mihinan-dany roa toy ny dinta ka mampirafy raharaha.
soanja
11.
Ny tenan-tsika moa dia andevolahy manan'omby ka na ny tena aza an'olona, ny adidiny tena vibiny, ny asa aman-draharaha sakelehina, ny any fanjakana loloavina
RTsongy
12.
Ny tena namana tsy miraharaha na tsy mitovy aza ny ba kiraronao
niryna
13.
Aza lany andro eo am-pisangian-takotra toy ny boka mangala-pihinana, na ho variana mamahan-kary toy ny mpamosavy vao miana-draharaha.
aivetinakely
14.
Raharaha tokony atao anio aza hiandrasana rahampitso
niryna
15.
antitra tsy miraharaha fiainana.miandradra any rafahafatesana ho aingana
orlando405
16.
Manita draharaha toy ny andevolahy mampirafy.
niryna
17.
Iray trano fa tsy iray raharaha toa mpirafy
latina
18.
tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha
latina
19.
Manita-draharaha toy ny sima misika
latina
20.
Totozy sy voalavo: iray volo, fa tsy iray raharaha
latina
21.
Raharaha ity hoy rapasy namonjy baly.
adolantsento
22.
Tsy mlla rano ritra fa mila amalona azo Namintana amalona nahazo do, samy vandambandana fa tsy izy Kara vazaha nandeha entana raharaha be è!
Viky
23.
totozy sy voalavo : iray volo, fa tsy iray raharaha
zouzou
24.
Tsy ny donak'afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha.
jentilisa
25.
Nahoana no atao hoe : « Be ny raharaha » ka ny voly vary indray no tsy efa ?
hery
26.
Nahoana no atao hoe : be ny raharaha, ka ny voly vary indray no tsy efa
hery
27.
Be raharaha ve dia ny voly vary indray no tsy efa?
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1308