Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe taolana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
taolana
Hampiditra ohabolana
1.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
tolozah
2.
Mahita amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
yveratsimb
3.
Taolana ny nify ka mihomehy
yveratsimb
4.
Manalasala toa vozon'akoho tanora, hanina toa taolana, ariana toa nofony ihany
yveratsimb
5.
Te-hoderain'ny amboa ka mikiky taolana tsy misy nofony.
soanja
6.
Fihavanan'amboa ka ravan'ny taolana iray.
soanja
7.
Ny ondry voatsipi-taolana, fa ny alika voatsipi-bilona, samy ao fa nifandiso.
soanja
8.
Faly sahirana tahaka ny vahiny tolorana vozon'akoho, jeren'ny maso toa hena azo hanina fa tsakoin'ny nify toa taolana mikarepoka.
thonli
9.
Manalasala toy ny vozon'akoho, hariana toa hena, hohanina feno taolana
aivetinakely
10.
Ny ondry voatsipy taolana, ny amboa voatsipy vilona, tao ihany fa nifanolana
niryna
11.
Az a atao fihavanan'alika ka taolana iray no isarahana
aivetinakely
12.
Ny lavanify mihinan-taolana no tafaray samy mafy, fa ny banga mifanaikitra no tsy ahitàna izay dia-nify
aivetinakely
13.
Mila dera amin'ny amboa ka taolana maina no iambozonana
felana
14.
Ny ondry voatsipy taolana, ary ny amboa voatsipy vilona: tao ihany fa nifanolana
latina
15.
aza manao fihavanan'amboa, ka taolana iray no hisarahana
latina
16.
manalasala ohatry ny vozon'akoho tanora, atao nofony toa taolana, atao taolana toa nofony
raniry
17.
Ny olona jamba ny vola fa ny alika jamba ny taolana.
ariel
18.
Ny alika jamban'ny taolana fa ny olona jamban'ny vola
Ingahy
19.
Aza te ho derain'ny alika ka mikiky taolana tsy misy hena.
mandrindra
20.
Mahita ny amboa miady taolana ka mahatsiaro ny hena fony nandro
ftma
21.
Taolana ny nify ka mihomehy
ftma
22.
Aza manao fihavanan'amboa ka taolana iray no isarahana.
lanto
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.091