Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe teny
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
teny
Hampiditra ohabolana
61.
Ny teny toy ny atody ka raha fohy manan'elatra
niryna
62.
Ny sasany miteny hoe feno an-tsasany ny vera misy rano, ny sasany miteny hoe tsy am-py an-tsasany ny rano
niryna
63.
AVadiho im-pito ny lela vao miteny
niryna
64.
Na ny adala aza rehefa tsy miteny dia azo lazaina fa hendry ihany
niryna
65.
Na ny adala aza no tsy miteny dia toa hendry ihany
niryna
66.
Teny zato, kabary arivo, fa iray ihany no marina
niryna
67.
Ny teny mamy mampisaina ny be loha
niryna
68.
Mandiha tany isika, miloloha lanitra, mandinihy rehefa miteny, mijere voa mamindra.
niryna
69.
Ny vava tsy voatandrina ahitan-doza, ka na ny adala aza rehefa tsy miteny toa hendry ihany.
niryna
70.
Manan-joky afaka olan-teny, mana-jandry afaka olan'entana.
aivetinakely
71.
TEny diso tsy mba kabary.
aivetinakely
72.
Ny teny toy ny atody ka raha foy manana elatra
niryna
73.
Na lehibe tahaka ny vato aza, rehefa tsy miteny itaingenam-borona.
aivetinakely
74.
Vava soa sakafo, teny ratsy adidy.
niryna
75.
Ny teny toy ny foosana, ka izay mamono no mamaha.
niryna
76.
te hilaza ka tsy mahay, te-hiteny ka bada lela
latina
77.
Raha mararin-teny, aza mitakarina
latina
78.
Teny atsipin'ny manam-panahy, raisin'ny mpahalala
latina
79.
Ny kitoza no tsara mihantona, fa ny teny tsy tsara mihantona
latina
80.
Toy ny aretin'omby ny teny, ka izay mirehodrehoka no hifindrany
latina
81.
Ny teny ierana tsy mba loza
latina
82.
Raha revom-potaka, rano no manala, raha revon-teny, vava no manala, raha revon'alahelo, ny havana no itarainana.
latina
83.
Miteny irery toy ny miresaka amim-bazimba
latina
84.
mamoiza re voatay fa teny ambony vatolampy ny kilonga ro nangery
nalaina
85.
Ny teny toy ny ombimanga anaty vero: ka raha pizina, latska an-kady
tia
86.
Ny teny toy ny salaka, soa atao mihodidina, ratsy atao mihodidina
faralisy
87.
Aza manao toy ny lela, ka sady miteny soa no miteny ratsy.
saharoy
88.
ny teny toy ny rano ka raha latsaka tsy azo raofina
ravi
89.
Ny teny toy ny salaka raha lava mandavo tompo
mahalafo
90.
Tsy misy lehibe toy ny vato, fa rehefa tsy miteny, anaovan'ny vorona maloto.
marozevo
1
2
3
4
5
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163