Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Les proverbes contenant teny
Liste des proverbes, contenant
teny
Insérer un proverbe
91.
Ny tehina entin-dray aman-dreny, ny teny entin-joky, fa ny entana entin-jandry
marozevo
92.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
93.
ny teny toy ny salaka ka ny tompony ihany no afatony
nanette
94.
Ny teny tsara mahamora harena
hery
95.
Ny teny toy ny zipon'ny tovovavy : lava mamafa lalana, fohy mampitanjaka ny tompony.
hery
96.
Ny teny toy ny ketsa : lava mamato-tena, fohy afatotry ny olona.
mbelo
97.
Miteny tsy afa-tsiny toy ilay tovolahy manambady rafotsy be, itositosiana toa renibe, hilaozana nefa anjaran'ny tena, loa-bary sisa iononana, mihinana fa izay voky maharaka ny namany
ramix
98.
miteny tsy afa-tsiny toy ny rafotsibe mihinan-kitoza, ny tsiro no tadiavina ka ny ivy no raraka
ramix
99.
Raha lava ny ahitra very ny kisoa, ary raha lava ny teny very ny soa.
oze34
100.
teny diso tsy mba kabary
vale
101.
Tsy miteny fa vola baoritra.
jefra
102.
Ny teny ratsy fotaka am-baravarana, ka samy manilika ny eo anatrehany.
jefra
103.
Tsy misy tsy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
pseudofanja
104.
Ny teny toy ny atody ka raha foy dia manana elatra
ndrena
105.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
106.
Faran'ny omby ny hena, faran'ny teny ifanatrehana
mandrindra
107.
Ny teny toy ny tsinay raha rohitina mahafeno tay
mandrindra
108.
Ny teny toy ny atody raha fohy manan'elatra
mandrindra
109.
Aleo manotanitany fona toy izay miteniteny foana
doum
110.
Ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra
doum
111.
raha foy ny teny, manan'elatra
doum
112.
kobokoboin'ny marina ka miteny tsy hanotaniana
doum
113.
MIteny lango imason'ny vary
doum
114.
Atsipy ny tady eny atandroky ny omby, atsipy ny teny eny am-po ny mahalala
doum
115.
Teny zato kabary arivo
doum
116.
Teny maro tsy hilaozan'ota
doum
117.
manalasala toy ny volom-bava: atao hoe volom-bava tsy eo amin'ny vava, atao hoe volo-tsaoka tsy fiteny
Lalakely
118.
Aza manao teny tsy loa-body
JMR
119.
Ny teny toy ny fonosana, izay mamono no mamboraka
jentilisa
120.
ny teny tsy mazava tsy hita fototra
jentilisa
First
Previous
2
3
4
5
6
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0252