Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tiana
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tiana
Hampiditra ohabolana
1.
Kristiana Alahady, fa mpangalatra akoho Alatsinainy
Azrael666
2.
Vady tsy tiana ianteherana tany ikafarana ilevenana.
Tambanivohidahy
3.
Ny fahafinaretana no tiana ho azo, ka izay nasaina atao lazaina fa mety.
Nassa
4.
Raha tiana ny vady,ny rafozana no tsinjovi-mandeha.
Ny_Arlinah
5.
Aza atao fitia rora-paraky,Tiana ihany ka tsy hatelina.
falinafs
6.
"Izay mahavangivangy tia havana, ny hava_tiana tsy vangia_matetika"
MATOKYAH
7.
Fitia savony, tiana fa avalana rano
yveratsimb
8.
Aza misoroka adidy ka tsy manan-tiana.
yveratsimb
9.
Kabary zato , teny arivo fa iray ihany no tiana hahatongavana.
aivetinakely
10.
Tanora sarak'olon-tiana, ny sento no fanafody manamaivana
aivetinakely
11.
Raha tiana ho tody ny lakana itàna,ny tevin-damosiny aloha no zahàna; raha tiana hateza ny lamba tinafy,tsongoy ny tenony fandrao tsy mafy; raha tiana hateza ny fanambadiana,ny alarofatra no anontaniana!
zokieva
12.
Mampaharary vao mihà-tiana ohatry ny fitiavana
kiriah
13.
Adin-tsain-dRalahy tokana, ny vady tiana ny reny tsy foy
kiriah
14.
Saro-tiavina toy ny landy ka tiana vao misafotofoto
kiriah
15.
ny tiana mitombo tarehy
kiriah
16.
Vary amin'anana ilaofan-tsakay, ka tiana hasiaka ny malaolao.
soanja
17.
tambatambazan-koambakaina, tiana ihany kanefa adalaina Ny Andri-Fara
Rapha
18.
Lokin'ny vady tiana, manta mahatana am-bôtraka, magôdra môra ateligny
hery
19.
Sasa-miandry tiana tsy voakaràma, miaritra fa mbola babony.
aivetinakely
20.
Ny amoizana ny tsy foy hananan-tiana.
aivetinakely
21.
Ny olon-tiana no vahatry ny aina.
aivetinakely
22.
Sitran-tsy miody tahaka ny tonga olon-tiana.
aivetinakely
23.
Izay tia mahafoy, izay tiana amoizana ny tsy foy.
aivetinakely
24.
Aza kivy ilaozan-tiana, fa iray lasa folo manontany toerana.
aivetinakely
25.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana
niryna
26.
Saro-tiana toa landy mohaka:ka tiana vao misaritaka
niryna
27.
Aza atao fitia varavarana aho, tiana ihany fa atositosika, na atao fitia ranotrambo be fiavy fa mora ritra, na fitia paraky ka rehefa matsatso arora, fa ataovy fitia lamban'akoho ka maty vao ialàna
aivetinakely
28.
Izay tia mahafoy, ny tiana amoizana ny tsy foy
aivetinakely
29.
Raha tiana aza ny zaza rehefa manaiki-nono akifika ihany
niryna
30.
Ny zanaka tiana no hanarina
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0872