Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tsanga
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tsanga
Hampiditra ohabolana
1.
"Manalasala toin'ny mamely renin'kisoa, hitsanganana iva loatra, andoalihana avo loatra"
Shcwarzeneric
2.
Bevohoka ratsian-kena ka manaikitra omby am-pitsanganana
rabesao
3.
Fotsy volo tsy mahay mikabary ka mipetraka atsangan'ny olona, mitsangana apetraky ny olona.
raonimanana
4.
Raha hitsangan-tsy mahay, aleo misonenika an-toerana
yveratsimb
5.
Akanga mandalo vorombola, ka mipoitra tsanga saingy ambanian'ny olona.
soanja
6.
Fakam-bolontsangana aho mitaingina ny avo.
soanja
7.
Na bevoka ratsi_ kena aza tsy anaikitra omby mitsangana
turin
8.
Manalasala toy ny milely ondry. Itsanganana iva loatra, andoalihana avo loatra
Ratianakel
9.
Manao torin'akoho, atao am-pitsanganana ihany no sady mikimpy maso tokana.
aivetinakely
10.
Saka voatapa-drambo, veloma ry fitsangatsanganana.
aivetinakely
11.
Tsy ampahafirin'izay bevohoka ratsian-kena ka nde hikaikitra omby mitsangana
ratoul
12.
Mitsangan-kitondra ny tenin'Andriana tahaka ny tompomenakely voairaka.
ontsy
13.
Mitsangan-kamiratra tahaka ny lahinjiro.
ontsy
14.
Mitsangan-kandindona tahaka ny andrintany.
ontsy
15.
Mitsangan-kamingana tahaka ny vatan-kazo.
ontsy
16.
Mitsangana dieny malaina fa rehefa mazoto tsy afaka intsony
niryna
17.
Ny trano izay miady lava dia tsy hitsangana mihitsy.
niryna
18.
Aza ny antsanga tsy aman'orana no alahatra
niryna
19.
Aleo maty mitsangana toy izay velon-kandady.
lanto
20.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany.
niryna
21.
Izy main'ny afo natsangany.
niryna
22.
aza mandrefy hazo mitsangana
latina
23.
Tsy ampahafirin'izay bevohoka ratsian-kena ka manaikitr'omby am-pitsanganana
sarabe77
24.
Mitsangam-poana toa kiady
McFy
25.
Aza milaza atsanga tsy aman'orana
jentilisa
26.
Izy main'ny afo natsangany
McFy
27.
Menatra ny efa nisaraka ka mitsanga-miankina ihany
McFy
28.
Aza ny toho mihahy no tazanina fa ny lefo-mitsangana.
hery
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0235