Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe tsiro
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
tsiro
Hampiditra ohabolana
1.
Ela nizarana ny tsara sy matsiro toy ny vilanin'ny antitra.
Angonoka
2.
Toy ny trondro voajono ny mpifoka sigara.Mahita tsirony kely izy,nefa maty avy eo.
tiaviniainagasy
3.
"Banga mihinan-kitoza, tsiro no notadiavina kanjo ny hivy no raraka".
ragotso
4.
ramatoa be mihinan-kitoza , ny tsirony no tadiavina ny rara-kivy no raraka
19822709
5.
Banga mihinan-kitoza ka tsirony no ilaina kanefa ny ivy indray no raraka.
soanja
6.
Na matsiro aza hoe ny trondro, ny aty tsy atao jono.:-.!
sylvoalias
7.
Lany fika toy ny banga mitsako valala, haloa: moa ny raha matsiro, hatelina : matahotra sao kenda.
sylvoalias
8.
Tahaka ny kitoza ny fiainana, ka izay mahadinidinika azy ihany no mandre ny tsirony.
aivetinakely
9.
Ny teny toy ny kitoza, ka izay mahatsakotsako no mahita ny tsirony
marozevo
10.
miteny tsy afa-tsiny toy ny rafotsibe mihinan-kitoza, ny tsiro no tadiavina ka ny ivy no raraka
ramix
11.
Rafotsibe nihinan-kitoza, tsiro no nantenain-ko azo, kanjo ny hivy no niraraka.
rakekely
12.
Aza manao toa an-drafotsibe nihinan-kitoza, tsiro no nantenain-ko azo, nefa ny hivy no niraraka
rakekely
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0172