Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe velon
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
velon
Hampiditra ohabolana
1.
Maty be volompory, ka manala baraka n'y velona
Sologasy
2.
Aleo maty olo-manga toa izay velona olo-meloka
hery
3.
Basy tsy mety velona, tapaho atao saosisy
hash20
4.
Ratsy vintana toy ny PÔ, amanizana vao velon-kira
Aloka24
5.
Velona iray fiangonana; maty iray paradisa
leonniemada88
6.
velona iray trano,maty iray fasana
cyberzoom502
7.
Ny velona arahim-potsibary ,fa ny maty arahin-damba mena.
Benjamadagasikara
8.
Mazoto kamo velona sahala amin'ny akoholahy, mba mifoha maraim-be ihany fa mijanona eo amorom-patana.
randriajj
9.
Ny vontom-pon'ny te-ho velona tsy mitovy amin'ny vontom-pon'ny te-hamono.
Lemonja
10.
Aza sarotiavina tahaka ny pô ka amanizana vao velon-kira
Rafanomezantsoaa
11.
Mahantra raha samy olombelona toy ny malagasy, velona ianjadian’ny fahoriana, maty very taolam-balo.
Rakotoaly
12.
MANAOVA NY SOA DIENY MBOLA VELON'AINA
ANDRIAMENA45
13.
Saro-tiavina ohatran'ny pô, amanizana vao velon-kira
bolena
14.
Mifankatiava ny velona fa ny maty efa tsy namana
yveratsimb
15.
Ny fihavanana ohatra ny landy : maty isika, ifonosana ; velona itafiana ; ka ny madilana arahim-panondro.
yveratsimb
16.
Ny maty no tsy alevina Alakamisy sy Alahady, ny velona no tandrovina
yveratsimb
17.
Zatra ny antohojinga ka tsy velon' ny an-kararàna
yveratsimb
18.
Ela velona ireo iriana ho faty, ary vetika dia maty ireo iriana ho ela velona.
Tibao
19.
Voalavo no velona akaiky ny lavany
niryna
20.
Ny maty handry toy ny vovoka, fa ny velona hihinana toy ny olona.
soanja
21.
Takognam-paty nilatsahan'antsangoa; tsy hita na atambon' gny maty sa lozan'gny velona
soanja
22.
Valavo velona, anjon-davagny.
soanja
23.
Ny fanompoana folo elatra ahina: ahina mahavelona, tsy ahina mahafaty.
soanja
24.
ny tany tsy ho lavadavahana mbola hiverenana, aza mandrora mitsilany sao hahavoa tena, alaeo volana imaso toy izay volana ivoho, tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka, ny maherh tsy maody tsy ho ela velona
voniala
25.
Rafotsibe leon-koditra ka tsy te hijery omby velona.
soanja
26.
Velon-drivotra toa sidintsidina.
soanja
27.
Katsaka an-tanimena ka ny baby kambana tsy misy, fa zara raha mahavelon-tena.
soanja
28.
Saobakaka anaty kamory ka hitoetra toa ho faty , hifindra toerana toa tsy ho velona.
soanja
29.
Ny androngo no velona tapa-drambo.
soanja
30.
Parasy no mivelona amim-bahiny.
soanja
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018