Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe voky
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
voky
Hampiditra ohabolana
1.
Ny angady no tsy mba mamitaka: voky madama dia mifitsika, raha tsy voky izy mipitsika, dia ry zalahy no mibitaka
Azrael666
2.
Ny hendry mody voky, fa ny voky mody adala
Azrael666
3.
Noana manontany lera, voky manontany ondana.
Lahimatoa
4.
Ny kibo voky no vady manohana
OZ16
5.
Akoholahy mikohokoho vavy, tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
OZ16
6.
Manasa vahiny tsy avy hihinagna, sady vôky no afaka adidy
OZ16
7.
Vahiny vôky, tsy iharagna angady
OZ16
8.
akoholahy mikokokoko akohovavy,tsy hanina havoky fa voninahitra ifanomezana
heriy
9.
Andevolahy mamosavy tompo : voky hena indray andro fa hiongo-belona herintaona.
yveratsimb
10.
Akoholahy manakokokoho vavy: tsy hanin-kahavoky, fa volan-kifanajana.
aivetinakely
11.
Ody valalan'ny tsy mahay, ka voky dia miala
yveratsimb
12.
Any Antsahadinta no voky tsaramaso, ka any Ambatolaona no mizihi-kibo
yveratsimb
13.
Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.
aivetinakely
14.
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany
yveratsimb
15.
Akoholahy mikohokoho vavy; tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
yveratsimb
16.
Omena mody voky, nefa mangala-pihinana ihany
yveratsimb
17.
Andevo tokana an-trano, raha tsy maty voky, maty iraka!
mianjy
18.
Andevo tokana amin'andriana, raha tsy matin'iraka, maty voky.
soanja
19.
Zaza tokana na-trano ka raha tsy maty voky maty iraka
kiriah
20.
Akanga mitsindroka am-batolampy ka voky vao fanimpanina.
soanja
21.
Voky dia mkodia, ohatra ny kongona.
soanja
22.
ny fianakavina no voky nefa izy 2 no vita voady
turin
23.
Ombivavy terendronono, ny hafa razana no voky aloha.
aivetinakely
24.
Mafy hatoka tahaka ny amalon-kely, hanina tsy hahavoky no namoizana ny aina.
aivetinakely
25.
Toy ny manao soa vahiny ka raha voky izy :dia ilaozany mody.
niryna
26.
Aza manody ny voky atody
zazadel
27.
rafotsibe namozafy zafikely, voky hena herinandro fa ringi-bolo heritaona
zanakantitra
28.
Kokokokon'akoho hoe ka tsy hanina hahavoky fa kosa voninahitra ifanomezana
sylvoalias
29.
Zanaka tokana an-trano ka raha tsy maty voky, maty noana
niryna
30.
Maty voky toy ny vadina miaramila
niryna
1
2
3
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0402