Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe vorona
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
vorona
Hampiditra ohabolana
1.
Aza manao lalitra tsy ho vorona,fa ny kely ihany no ho lasa lehibe
gerardjapon2
2.
Foto-kazo sy vorona ka izay tia manatona
OZ16
3.
Adaladala nahazo vorona, ka ny volom-bodiny no nongotana fa tsy ny elany.
BEDOGAIGY
4.
Ny an'ilay niandrandra nijery vorona : "tsy tay iny fa fanampi-paraky"
endriny
5.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany naniriany
yveratsimb
6.
Maro ny vorona fa ny railovy no manga feo, maro ny teny fa ny teny gasy no tsy afako loatra.
soanja
7.
Vorona tokana anosy ka miherikerika irery.
soanja
8.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany aniriana.
soanja
9.
Ny vitsika manana ny lavany, ny vorona manana ny akaniny ary ny olona manana ny tranony.
soanja
10.
Vorona tokona amoron-drano ka miherikerika irery
niryna
11.
Aza manao vorona azon'adala ka na tsy maty aza, mifohafoha volo
niryna
12.
Aza mandatsa vorona azo.
niryna
13.
Vorona nihoatra an'Andringitra, afoizo fa antanindrazany.
aivetinakely
14.
Vorona tsy antanana tsy atolo-jaza
sylvoalias
15.
Ianareo vorona manim-poto-kazo, izahay hazo miandry voron-kitoetra.
aivetinakely
16.
Ny vorona iray eo an-tanana tsara lavitra noho ny vorona roa any an-tsaha
niryna
17.
Tsy naha-vazaha renivorona fa sendran'izay sifitra antitra
rtol
18.
Na maro aza ny vorona ny goaika no nihinana ny voanjo.
niryna
19.
Aza manao vorona azon'adala ;ka na tsy maty aza, mifohafoha volo.
niryna
20.
zanaka tsy nateraka mahabe vavorona
latina
21.
Sifotra antitra aho, ka tsy maha-reny vorona anao
latina
22.
Tsy misy lehibe toy ny vato, fa rehefa tsy miteny, anaovan'ny vorona maloto.
marozevo
23.
Aleo manana vorona iray an-tanana toy izay zato eny an'habakabaka
Ingahy
24.
Tsy misy tsy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
pseudofanja
25.
Vorona azon'adala, na tsy maty aza mifohafoha volo
jentilisa
26.
Hazo sy vorona, izay manina no manatona
jentilisa
27.
Ny tsy itenenan-dRavato hono no angerezan-dRavorona eo amboniny
jajaf401
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0365