Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana misy hoe zavona
Lisitry ny ohabolana, ohabolana misy hoe
zavona
Hampiditra ohabolana
1.
very salaka mitovy ka ny hisavasavana ny raviny hahitana ny fotony. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
2.
toratoraka voan-tsakay,ny voatoraka nanifi-tanana;fa ny mpitoraka nikoso-maso. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
3.
Mora ny manapa-kevitra fa sarotra ny hevitra tapaka. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
4.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
5.
Tendrombohitra fandrian' ny zavona; lohasaha fandrian' ny moka; sakeli-drano fandrian' ny mamba; izaho, kely fandrian' ny saina
yveratsimb
6.
Tendrombohitra sy zavona: mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona.
yveratsimb
7.
Ny tendrombohitra fandrian'ny zavona, ny renirano fandrian'ny mamba fa ny olombelona kosa fandrian'ny adidy sy ny andraikitra.
yveratsimb
8.
Natao ho zavona manamasaka ny vary, kanjo fanala mamono ny mangahazo.
soanja
9.
Miakatra ho rahona fa mielin-ko zavona.
soanja
10.
Volabe tsy arahim-pitiavana, zary poizina mamono ny vatana, lasa zavona tahaka ny vongandranomandry.
aivetinakely
11.
Ny zavona no manamaizina ny mazava
niryna
12.
Aza miakatra ho rahona ka mihelin-ko zavona
niryna
13.
Ny zavona no manamaizina ny mazava.
latina
14.
Mikopa-damba anaty zavona, manao izay tsy ifankahitana.
jentilisa
1
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0437