Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana, nampidirin'i
aivetinakely
Hampiditra ohabolana
871.
Ny very ondry manara-morona, ny tsy ampy ketsa mivezivezy
aivetinakely
872.
Tatamo iray farihy, faly miara-manatrika, tezitra miara-mihodina
aivetinakely
873.
Tezera-manatona tahaka ny vady aman-janaka
aivetinakely
874.
Mpirahalahy mizara hena manta, samy miady fo ny ho azy
aivetinakely
875.
Ataovy tanin-dreniomby sady mimà no mirao-bilona
aivetinakely
876.
Manaova toy ny vary, tsy vitan'ny efa mijoro fa miondrika koa maka saina
aivetinakely
877.
Raha voatonona ny sola, mahimahina ny maza ray
aivetinakely
878.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany
aivetinakely
879.
misotro rano antanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
aivetinakely
880.
Iray alahelo tahaka ny aty sy ny afero ka raha voadona ny aty maharary ny afero
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
28
29
30
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0304