Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
6391.
Hazo avo halan-drivotra!
vale
6392.
Tanan-kavia sy havanana ka izay didi-maharary
vale
6393.
Ny vola fitady, ny herim-po fanary
vale
6394.
Tsy misy Ray aman-dReny manolo-bato mafana ny zanany
vale
6395.
raha tohina ny aty marary ny afero!
vale
6396.
Aza manao fitiava-molotra tezitra vao mifanantona
vale
6397.
Mpanankarena mahihitra: maty vao misy milanja.
ftma
6398.
Tsy mahafoy hamidy takotra ka manta vary.
ftma
6399.
Aza dia ny hodi-boanjo fanary no atao sakafo mahavita.
ftma
6400.
Maka kitay manana ankizy, misorona afo manan-jiro, homa-maizina eo ampototry ny mazava.
ftma
6401.
Aza homa-maizina raha misy fanilo
ftma
6402.
Aza dia fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana.
ftma
6403.
Antibavy nivikin-tatatra ka hanitatra ny efa nikombona.
jajaf401
6404.
Be resaka sahala amin'ny any Ambositra
jajaf401
6405.
Ny tsy itenenan-dRavato hono no angerezan-dRavorona eo amboniny
jajaf401
6406.
kamo be kibo, kamo be tenda: tsy tia asa nefa loza raha hihinana.
ftma
6407.
Vava diso tsy mba kabary; teny diso tsy mba kilema.
ftma
6408.
Taolana ny nify ka mihomehy!
ftma
6409.
mandia tany ka lavo, miloloha lanitra ka lena.
ftma
6410.
Aza fady fa mateti-piavy toa ny sotrokely.
ftma
6411.
ny vola toy ny vahiny: tonga anio, lasa rahampitso
ftma
6412.
vava soa sakafo, teny ratsy adidy.
ftma
6413.
ny teny malemy mahamora harena.
ftma
6414.
Ny teny toa ny ketsa ka izay mahalana sosohana
ftma
6415.
Arivo teny fa izay ihany no marina
ftma
6416.
Be kibo mahihitra, ny an'olona ihany no tadiaviny hamenoana azy.
ftma
6417.
Anaran-tany no Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
ftma
6418.
Tandremo fa ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady
cielbleu
6419.
Aza manao an'Andriamanitra ho tsy misy ka hitsambiki-mikimpy
Vetso
6420.
Rafotsibe nisambo-balala, ny valala tsy azo, ny andilana tapaka.
robinhood
Voalohany
Mialoha
212
213
214
215
216
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0947