Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Tsy nisy ohabolana hita
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1.
Papango lahy anaty katsaka ka izay mivoaka babany avokoa
RIJA08
2.
Aza mifampidera taim-by fa samy zanaky ny mpanefy
RIJA08
3.
Omby mahia be trafo hono ka mizaka ny tsy eran`ny aina
RIJA08
4.
ny tanana tsy hanaovan-dratsy hono , mbola mety hiverenana
RIJA08
5.
Anti-bavy nahandro sakafo, antanan'ny tompony!
Angonoka
6.
Rafotsibe nahandro sakafo, mampiseho ny talentany sy ny traikefany.
Angonoka
7.
Ela nizarana ny tsara sy matsiro toy ny vilanin'ny antitra.
Angonoka
8.
Ela niaretana ny mahamay toy ny vilanin'antitra.
Angonoka
9.
Ny fihavanana tsy tiako ho rava no tsy hanaovako trosa aminao
RIJA08
10.
ny adalan`ny olona hihomehezana fa ny an`ny tena tafian-damba
RIJA08
11.
Androngy avy nangataka ka mody no mety
RIJA08
12.
Mirenireny ohatran`ny alika tsisy tompony
RIJA08
13.
Miandry an`i Razaka tsy hivalana
RIJA08
14.
vava-kisoa misy sira ka asakasak`izay hihinana azy
RIJA08
15.
Ganagana mitety asa ka ny hanina tsy azo , ny tratra mangana
RIJA08
16.
Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana
RIJA08
17.
misao-bady tanora ka manome zara ho an`ny sasany
RIJA08
18.
ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona
RIJA08
19.
vary sy rano, antsaha tsy mifanary, an-tanana tsy mifandao
RIJA08
20.
Rafotsibe kendam-bomanga ka kenda vao hoe domy aho ranaotra
RIJA08
21.
aza ny lohasaha mangina no jerena fa andriamanitra ao antapon`ny loha
RIJA08
22.
Bongo maso misoron`afo ka tsy fantatra na lanin`ny setroka na malahelo
RIJA08
23.
mifanipaka toy ny valala an-karona
RIJA08
24.
mifanipaka toy ny valala an-karon
RIJA08
25.
Soron`afon`i kala adala ka ny eo tsy levona ny ato asesika ihany
RIJA08
26.
Andriamanitra nanome fa i Balita no tsy mahay manana
RIJA08
27.
Mindrana angady fahavaratra ka maniraka ny tompony ho any antsaha
RIJA08
28.
Rafotsibe very laona ka miadry izay higadonany
RIJA08
29.
Ny teny toy ny atody ka raha fohy manan`elatra
RIJA08
30.
Hatsipy ny tady eny antandroky ny omby, hatsipy ny teny ao ampon`ny mahalala
RIJA08
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.018