Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
91.
Kristiana Alahady, fa mpangalatra akoho Alatsinainy
Azrael666
92.
Manasongadi-tena toy ny traktera
Azrael666
93.
Toriteny am-piangonana, ka ny tonga ihany no voalevilevy
Azrael666
94.
Vorondolo nitera-boromanga
Azrael666
95.
Mifampijerijery fotsiny toy ny mpivady vao
Azrael666
96.
Enga anie ny devoly izay mitady handrebireby anareo, ho tahaka ny bararata amoron-drano, ka hangovitra mandram-pahafatiny
Azrael666
97.
Tsy nisy biby te ho kary, fa mahery ny laha-Janahary
Azrael666
98.
Fikasana ny an'ny mpandeha fa ny adidy an'ny pneu; fikasana ny an'ny saofera fa ny adidy an'ny maotera; fikasana ny an'olombelona fa ny adidy an'Andriamanitra
Azrael666
99.
Manenjika Ramaria!
Azrael666
100.
Sahobakaka mijery fitaratra, ka tonga dia vavany
Azrael666
101.
Toy ny fiavin'ny orana ny fiavin'ny vola, indraindray misy indraindray tsy misy .
Fildizzy
102.
Farihy maty mamba ka itsobohan'ny adala rehetra
hery
103.
Mikoba-drano marivo, ka mahavery fanahy ny tsikovoka
hery
104.
Androngo efa hita, na mitsipelika aza tsy mahataitra intsony
hery
105.
Manan-karena mitafy jiafotsy, tototry ny lazany ihany
hery
106.
Azon'ny haren-tsy manarana ka mitafy lamba endrikendrika
hery
107.
Eran'ambatry tsy ampy, vozon'akoho no manefa
hery
108.
Akoho tokan'anaka, avo sasaka vao halan-tompo
hery
109.
very salaka mitovy ka ny hisavasavana ny raviny hahitana ny fotony. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
110.
Maro ny hovadina fa ny horafozanina no vitsy
aivetinakely
111.
toratoraka voan-tsakay,ny voatoraka nanifi-tanana;fa ny mpitoraka nikoso-maso. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
112.
Mora ny manapa-kevitra fa sarotra ny hevitra tapaka. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
113.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
114.
Mandremby manan-tohotra : tsy mahazo ny an’ ala, omana ny an-tanàna.
ikalamako
115.
Izay mahay mihaino no mahay miteny
hery
116.
Ny adala no omena vady fa ny hendry misafidy
hery
117.
Aleo maty olo-manga toa izay velona olo-meloka
hery
118.
Aleo mamoy kely itsaboana, toy izay hamoy be andevenana
mltfm
119.
Mopera vaky damozana, "Samby vita ry zanako".
FatikyRaketa
120.
Aza mitsako alohan'ny vazana
Aimpo
Voalohany
Mialoha
2
3
4
5
6
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113