Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
121.
Ny tsiny fanalan'ny vava
Jackynot023
122.
Toy ny mpivady miara-miasa, menatra ny hifampi-baiko.
MpitadyHasambarana
123.
Izay adala no toa an-drainy
Jujutsu
124.
Atoandro tsy mifoy hao ka alina vao manao piakoho
Andrianarivo1970
125.
Ny ankizy no tia tsapa fatana, ny Ray aman-dReny no tia tonotono.
patrickmjk
126.
Eka le hoy rahay Bekimpay, aloanay fa raha nihanin'anakay!
FatikyRaketa
127.
Sakaviro tamotamo, na metisy na madamo tsy anariako valy an-trano
FatikyRaketa
128.
Tangilahy tsianisiha, hatoko tsy misy tangilahy mifininitsy, ho hany fa lany tangilahy misodadaky!
FatikyRaketa
129.
Kaokao makoko, kaokaom-balany, ty antegna lomoko ty ahin'olo volany!
FatikyRaketa
130.
Kobay poky an-tay, tsy hay ty handrambesa azy!
FatikyRaketa
131.
Afaky ty amiko, be ty karamako!
FatikyRaketa
132.
Fia foririn'ny Mahavatsy ze afara tsy mahatsatsy!
FatikyRaketa
133.
Bokobokon'ny Besakoa ze fa nihina tsy homa koa!
FatikyRaketa
134.
Tantely bingo lavaky, tsy hay ty tsy bingo tanà!
FatikyRaketa
135.
Ingo kea ty raike hoe, hoy ty nitimpo
FatikyRaketa
136.
Tsobokonim-bobaka tsy veraverain-jaza mataho biby
Tsipakay
137.
Izay mazoto manompo tsy very anjara
Tambanivohidahy
138.
Ny fanambadiana toy ny jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka, tonta tsy ialan-dromoromo
aivetinakely
139.
Manalasala ohatry ny henjehin'ny alika banga.
GABDAS414
140.
Tohin'ny falafa ny raty !
Fa_Yzel
141.
Vahinin’ny Andriamora, variana nitazana ny tsy ho azony akory. Ny Andri-Fara : 03.07.2000
SANAKERIB
142.
Fitia miorina an-daba-pako, ka anjakan’ny adala. Ny Andri-Fara 05.09.2003
SANAKERIB
143.
Zavozavo sy herika, amin’ny soa miara-mandina, amin’ny ratsy miara-basoka.
nirihaja
144.
Aleo miadan-ko reniny toy izay mitsatsaingoka ho vantony
aivetinakely
145.
Ny tody itsy misy, ny atao koa miverina
Fa_Yzel
146.
Boka be fankasitrahana ny tanana hanolotra tsy misy fa ny fo no atao tsara laza ho faly.
aivetinakely
147.
Mpivaro-drano tratr'orana sady vizaka no maty antoka.
aivetinakely
148.
Raha tsara vady sady tsy mandray ravin-dena tsy mety manana kisoa tsara
aivetinakely
149.
Trafon-kena ambony ravina, ny manindry malemy, ny tsindriana malemy
hery
150.
Ny tsiny sy ny tody dia arofanina tsy ianjerana amin'ny fanjakan'i Baroa
piratekcan
Voalohany
Mialoha
3
4
5
6
7
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0226