Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
31.
Maro ny hovadina fa ny horafozanina no vitsy
aivetinakely
32.
toratoraka voan-tsakay,ny voatoraka nanifi-tanana;fa ny mpitoraka nikoso-maso. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
33.
Mora ny manapa-kevitra fa sarotra ny hevitra tapaka. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
34.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
35.
Mandremby manan-tohotra : tsy mahazo ny an’ ala, omana ny an-tanàna.
ikalamako
36.
Izay mahay mihaino no mahay miteny
hery
37.
Ny adala no omena vady fa ny hendry misafidy
hery
38.
Aleo maty olo-manga toa izay velona olo-meloka
hery
39.
Aleo mamoy kely itsaboana, toy izay hamoy be andevenana
mltfm
40.
Mopera vaky damozana, "Samby vita ry zanako".
FatikyRaketa
41.
Aza mitsako alohan'ny vazana
Aimpo
42.
Takotakom-bitiky ze tsy mitao tsy misinjiky.
Kodak
43.
Aza matoky ny olona mamitaka anao, ary aza mamitaka ny olona matoky anao.
Jocelyn Bellarmain
44.
Tanora ratsy fihary, antitra voa ratsy laoka
Koloiniaina
45.
Ny tsiny fanalan'ny vava
Jackynot023
46.
Toy ny mpivady miara-miasa, menatra ny hifampi-baiko.
MpitadyHasambarana
47.
Izay adala no toa an-drainy
Jujutsu
48.
Atoandro tsy mifoy hao ka alina vao manao piakoho
Andrianarivo1970
49.
Ny ankizy no tia tsapa fatana, ny Ray aman-dReny no tia tonotono.
patrickmjk
50.
Eka le hoy rahay Bekimpay, aloanay fa raha nihanin'anakay!
FatikyRaketa
51.
Sakaviro tamotamo, na metisy na madamo tsy anariako valy an-trano
FatikyRaketa
52.
Tangilahy tsianisiha, hatoko tsy misy tangilahy mifininitsy, ho hany fa lany tangilahy misodadaky!
FatikyRaketa
53.
Kaokao makoko, kaokaom-balany, ty antegna lomoko ty ahin'olo volany!
FatikyRaketa
54.
Kobay poky an-tay, tsy hay ty handrambesa azy!
FatikyRaketa
55.
Afaky ty amiko, be ty karamako!
FatikyRaketa
56.
Fia foririn'ny Mahavatsy ze afara tsy mahatsatsy!
FatikyRaketa
57.
Bokobokon'ny Besakoa ze fa nihina tsy homa koa!
FatikyRaketa
58.
Tantely bingo lavaky, tsy hay ty tsy bingo tanà!
FatikyRaketa
59.
Ingo kea ty raike hoe, hoy ty nitimpo
FatikyRaketa
60.
Tsobokonim-bobaka tsy veraverain-jaza mataho biby
Tsipakay
1
2
3
4
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0878