Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Tsy nisy ohabolana hita
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1.
NY ASA Ny asa no lova, soa tsy lany hasina, Andaniana ny fotoana, amin’ny fo sy saina. Fa ny fety koa indraindray, fitsaharana masina, Hanangonana hery hifohazana maraina. #Mahane
AsaphMahane
2.
Mila voatsiary tahaka ny mangataka afo amin'ny olona efa maty
Hajaaa
3.
Ny angady no tsy mba mamitaka: voky madama dia mifitsika, raha tsy voky izy mipitsika, dia ry zalahy no mibitaka
Azrael666
4.
Soro-baton'ilay jamba, ka voa vao mihilana
Azrael666
5.
Ny hendry mody voky, fa ny voky mody adala
Azrael666
6.
Ny hazo no be doladola, ny rivotra no tia tositosy. Ny ranomasina no mafy fanonja, ny volana no fenomanana
Azrael666
7.
Kristiana Alahady, fa mpangalatra akoho Alatsinainy
Azrael666
8.
Manasongadi-tena toy ny traktera
Azrael666
9.
Toriteny am-piangonana, ka ny tonga ihany no voalevilevy
Azrael666
10.
Vorondolo nitera-boromanga
Azrael666
11.
Mifampijerijery fotsiny toy ny mpivady vao
Azrael666
12.
Enga anie ny devoly izay mitady handrebireby anareo, ho tahaka ny bararata amoron-drano, ka hangovitra mandram-pahafatiny
Azrael666
13.
Tsy nisy biby te ho kary, fa mahery ny laha-Janahary
Azrael666
14.
Fikasana ny an'ny mpandeha fa ny adidy an'ny pneu; fikasana ny an'ny saofera fa ny adidy an'ny maotera; fikasana ny an'olombelona fa ny adidy an'Andriamanitra
Azrael666
15.
Manenjika Ramaria!
Azrael666
16.
Sahobakaka mijery fitaratra, ka tonga dia vavany
Azrael666
17.
Toy ny fiavin'ny orana ny fiavin'ny vola, indraindray misy indraindray tsy misy .
Fildizzy
18.
Farihy maty mamba ka itsobohan'ny adala rehetra
hery
19.
Mikoba-drano marivo, ka mahavery fanahy ny tsikovoka
hery
20.
Androngo efa hita, na mitsipelika aza tsy mahataitra intsony
hery
21.
Manan-karena mitafy jiafotsy, tototry ny lazany ihany
hery
22.
Azon'ny haren-tsy manarana ka mitafy lamba endrikendrika
hery
23.
Eran'ambatry tsy ampy, vozon'akoho no manefa
hery
24.
Akoho tokan'anaka, avo sasaka vao halan-tompo
hery
25.
very salaka mitovy ka ny hisavasavana ny raviny hahitana ny fotony. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
26.
Maro ny hovadina fa ny horafozanina no vitsy
aivetinakely
27.
toratoraka voan-tsakay,ny voatoraka nanifi-tanana;fa ny mpitoraka nikoso-maso. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
28.
Mora ny manapa-kevitra fa sarotra ny hevitra tapaka. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
29.
Omby masiaka mifatotra ny marina ka loza hoan'izay mamoraka azy. (Zavona Rakoto)
ZavonaRakoto
30.
Mandremby manan-tohotra : tsy mahazo ny an’ ala, omana ny an-tanàna.
ikalamako
1
2
3
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117