Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4141.
Rangahy nianala: fanoto nozaka, ka maty antoka ny vatsiny
latina
4142.
Lahy antitra manin-kavana: hitsinjo, tsy mahita; handeha, tsy afaka.
latina
4143.
Lahy antitra manao tetik'asa, ka mosaren'ny hafetseny
latina
4144.
Ny tanora valaka tsy mahaleo ny lahy antitr'Imamo
latina
4145.
Sahala amin'ny sahona: mipetraka, toa lahy antitra, mitsambikina, toa tovolahy
latina
4146.
Rangahibe no tratr'andro, Rafotsibe no nanadala azy
latina
4147.
za-drano toa amalona antitra
latina
4148.
Tsy misy hianterana toa bozaka: tanora sakafon'ny omby, antitra, sakafom-patana
latina
4149.
Toy ny vero: tsara faniry fa ratsy antitra
latina
4150.
Sifotra antitra aho, ka tsy maha-reny vorona anao
latina
4151.
Aza atao fotsy volo mitozo foana, na zokiny manara-dia
latina
4152.
Tahaka ny antitra mitomany:maika loza miketrona manaratsy tena
latina
4153.
Toy ny fanoto: antitra vao kely anarana
latina
4154.
Olom-boky tsy manina
latina
4155.
Ny hasasarana maha malok'endrika
latina
4156.
tsikovoka an-dobo: matavy tsy afahy, tsindrahaka an-tatatra, mahia tsy marary
latina
4157.
be no te ho Rasalama fa tsy avelan'ny aretina
latina
4158.
sitry ve aho ka ho velona ambony vato?
latina
4159.
Ny kibo toy ny aponga, ka raha henjanina maneno
latina
4160.
hetaheta tsy afa-dronono
latina
4161.
Ny jeri-maso afenina zaka ihany, fa ny kibo miaritra akiky no tsy toha
latina
4162.
tsinay tsy mba vatsy, kibo tsy mba lamosina
latina
4163.
Tsinay tsy mivora-poana
latina
4164.
tsapa-sokin-dRainiboka, ka ny azo ihany no avadibadika
latina
4165.
boka mihalo-poza: mipaka ihany fa tsy mitondra
latina
4166.
totohondrim-boka: efa vita rahateo, fa ny hanainga nosisa
latina
4167.
Miadan-dratsy ohatra ny boka mitery omby
latina
4168.
Mitaiza ny boka, ka manabe ny tsy azo ho namana
latina
4169.
boka mikavina; tsy haingo fa fitehirizan-karena
latina
4170.
Mandainga ny rano, hoy ilay boka mizaha ny tandindony
latina
Voalohany
Mialoha
137
138
139
140
141
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0214