Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
4201.
banga very antsy, ka ny kenda no ampoizina
latina
4202.
Aza mihambom-po bnga nify, ka tsy mitondra miso mandeha
latina
4203.
ala-faditr'ilay moana, ka ao am-po no manisaisa
latina
4204.
Kalon'ilay moana: am-po no mametsovetso
latina
4205.
tsy azo hibaben-jaza toa fery an-damosina
latina
4206.
Ny tsongo tsy hita fery no tsy toha
latina
4207.
Lava volombava mizaha lanonana, ka ny alamaka ihany no maha faingana azy.
latina
4208.
Toy ny tongotra vakivaky, sady maharary no mahamenatra
latina
4209.
Jamba misikidy: mahita masoandro ho an'olona, fa tsy mahita mazava ho an-tena
latina
4210.
Ny mpanota maniry ny andro ho maizina; kanefa ny jamba tsy azo ahoana.
latina
4211.
jamba mitanin'andro: finaritry ny hafanany, fa tsy mahita ny famirapiratany
latina
4212.
Lomanon'ilay jamba, ka izay hidonan'ny loha no hiakarany
latina
4213.
Jamba am-pototry ny jiro, ka maizina anilan'ny mazava
latina
4214.
Toa an'ilay jamba nomena amalona: koa amalona, hono, ity, andriamanitra!
latina
4215.
Feony ihany, hoy ilay jamba mitsapa tafondro
latina
4216.
Ombivavy no marary, ka ombilahy no saram-panàfana
latina
4217.
Marary mahatelin-kanina: mampisalasala ny mpitsabo
latina
4218.
tsabo mararin'antoby, ka ny marary indray no miandry sotro
latina
4219.
Dradran'Isoamanaraka: asian'ody vao mitatra
latina
4220.
aza manao fanafodin-dRabetsiafindra: mahay ho an'ny olona, fa tsy mahay ho an-tena
latina
4221.
Manita-draharaha toy ny sima misika
latina
4222.
Vay an-kandrina, ka sarotra afenina
latina
4223.
Aza mijery vay masaka, fa voin-kava-mahatratra
latina
4224.
botry milaoka, ka tambavian-koman-kena
latina
4225.
Sambatra kosa Raherana, fa manan-kierana, sambatra Razozoro, fa manan-kijoroana, fa mahantra kosa Ratatamo: velona manao ranomaso an-tenda, maty manao ranomaso havozona.
latina
4226.
Toy ny ovy am-bato ny olona, maniry ihany fa tsy tomombana
latina
4227.
sotrobe volo: sady fanilo no fandoarana
latina
4228.
Toy ny salaka ny fanahy, ny tompony ihany no ho didininy
latina
4229.
Sady tia bory no tia mana-tandroka
latina
4230.
Zana-balala tsy mahatratra ny lanitra
latina
First
Previous
139
140
141
142
143
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0247