Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4261.
Tafondro natifi-baratra, ka tafahaona samy loza
latina
4262.
Ny ao ampon'ny siny mangatsiaka, fa ny ao am-pon'ny vilany mahamay
latina
4263.
Tsiboboka sy toho: rano no iraisana, fa ny tarehy samy hafa
latina
4264.
Sakay sy voantsiperifery: ka samy mitondra ny ngidiny ho azy
latina
4265.
Tsikovoka sy fandiorano: volo no iraisana, fa ny fomba samy manana
latina
4266.
Totozy sy voalavo: iray volo, fa tsy iray raharaha
latina
4267.
Lon-damba sy fahenim-bary, ka izay maharitra ela dia herinandro.
latina
4268.
Harabaina, tsy mahalala; tenenina, dia tezitra
latina
4269.
Toa tatamo am-parihin-dRasahala isika: ka raha faly, miara-manatrika, tezitra, miara-mihodina.
latina
4270.
aza manao kitapo hamelana lolompo, na hadivory hasiana ny fitaka.
latina
4271.
be famaritra ny maso, ka mitahiry raki-dratsy ny fo.
latina
4272.
Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany
latina
4273.
Mpandrava efa toa voalavo
latina
4274.
Aza mifonoka ambanin'ny maimbo
latina
4275.
Miaraka amin'ny ferena ka ny tsara fanahy no maimbo
latina
4276.
lambarano voahosotra arina: tafaray samy ngerona
latina
4277.
Mikamban-dratsy toa gadralava
latina
4278.
aza manao toy ny tandindona, miaraka ihany, fa tsy azo ho namana
latina
4279.
aza mitangorona toy ny voangory ho ritra
latina
4280.
Ny teny ierana tsy mba loza
latina
4281.
Maso sy orona, ka alahelo no iraisana.
latina
4282.
Misy rony, miara-misotro, misy ventiny, miara-mitsako
latina
4283.
raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy, fa raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty
latina
4284.
Ny maty aza te ho maro
latina
4285.
Tana mpamono mpanambitamby, vava mpitezitra mpamalifaly
latina
4286.
aza misoroka adidy ka tsy manan-tiana
latina
4287.
aza manao tsinay homan'aty
latina
4288.
havako raha misy patsa, fa raha lany ny patsa, havan-tetezina
latina
4289.
Aza sarotra ihamboana toa avan-dratsy
latina
4290.
aza manao sakaiza manody
latina
Voalohany
Mialoha
141
142
143
144
145
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.045