Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4351.
Ny olona marina ohatra ny vato lava sorona, ka izay ametrahana azy marina avokoa.
latina
4352.
Tsy ny hosoran-tsakay no mangidy hoditra, ary tsy ny hosoran-tantely no mamy hoditra, fa ny atao no mahasoa sy maharatsy
latina
4353.
Hianareo no natao valala fiandry fasana, vorompotsy tsy mandao omby.
latina
4354.
ianareo no natao ala hikirizana, vato hifaharana
latina
4355.
Hianareo no natao masoivoho, hidin-trano miantoka ny alina.
latina
4356.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy
latina
4357.
Ny atao toy ny salaka: soa atao, manodidina, ratsy atao manodidina
latina
4358.
Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy.
latina
4359.
Fanafodin'ny osa ny marina ataony.
latina
4360.
Avoavoin'ny vava ka sahalain'ny vintana
latina
4361.
Ny faniriana tsy takatry ny vintana
latina
4362.
Matoky ody voalavo va ianao no manao hena an-joron-damba?
latina
4363.
Manao ondry tsy harena, ka misorona ondry boka
latina
4364.
Tsy misy mivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, , tsy tonga.
latina
4365.
Aza matoky tangena entin-drahalahy
latina
4366.
Sendra mandalo Ramaka, ka may ny tanĂ na
latina
4367.
Tafitohina mandon-tavy ka merika ny andro
latina
4368.
boka mitoraka Alahamady, ka hitan'Andriamanitra ny tarehiny
latina
4369.
Ingorofotsy mitono sahondra, ka bokan'ny nataony
latina
4370.
Ny takatra no fisa-doha, marary tsy misy mpanondana.
latina
4371.
Ny maty no tsy alevina alakamisy sy alahady, ny velona no tandrovina.
latina
4372.
Ny papelika no maro vava, mitana ny hafatry ny ntaolo
latina
4373.
Ny kibobo no mena-maso: miresaka amin'ny Vazimba
latina
4374.
Lolo mamoha angatra
latina
4375.
Sendra masaka, tokony hihinana, avy tsy asaina, nasesiky ny razana.
latina
4376.
Misakaiza amim-Bazimba malahelo, ka ny akoholahy lany, ny fitahiana tsy misy
latina
4377.
Harem-bery foana, toy ny menaka ahoso-Bazimba
latina
4378.
Ny adala no manitsa-Bazimba, ka ny lehibe no aolanolany
latina
4379.
tany mainty tsy mba Vazimba
latina
4380.
Ny vazimba no mankarary, ka ny akoho no mihanton-doha
latina
Voalohany
Mialoha
144
145
146
147
148
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0286