Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4411.
Andriamanitra tsy an'ny irery
latina
4412.
aleo meloka amin'olombelona, toy izay meloka amin'Andriamanitra
latina
4413.
Andriamanitra tsy tia ratsy
latina
4414.
Tsy misy tsy fantatr'andriamanitra, saingy minia miondrika izy
latina
4415.
Avo fijery ny andriamanitra, ka mahita ny takona
latina
4416.
Tsihy be lambanana ny ambanilanitra
latina
4417.
Ny olombelona toy ny molo-bilany, ka iray manodidina ihany
latina
4418.
Ny olombelona fandrin-drano, ka tsy misy avo sy iva
latina
4419.
Ny olombelona toy ny omby: indray mandry, fa tsy indray mifoha
latina
4420.
Ny olombelona tsy miditra am-pitarihan-tokana
latina
4421.
Ny olombelona tsy ary mitovy
latina
4422.
Ny olombelona tsy maintsy lena
latina
4423.
Ny olombelona tsy fo vato, fa fo emboka
latina
4424.
Ny olombelona mora soa sy mora ratsy
latina
4425.
Aleo misoroka toy izay mitsabo
latina
4426.
Ny adalan'ny hafa iomehezana fa ny an'ny tena tafian-damba
latina
4427.
Ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady
latina
4428.
Ny handrina no tsy naniry volo, noho ny henatra
latina
4429.
Boka managala-pary, ny fary tsy azo, ny tanana feno lay
latina
4430.
Ny tokantrano tsy ahahaka.
Swin
4431.
Aponga mihantona, velezina raha mahatsiaro
latina
4432.
gisa lahy homan-ketsa izy mihinana indray no avo vava
latina
4433.
Mpianadahy mita rano samy tompok'henatra
latina
4434.
valalan'alika, ny tompony aza tsy tia
latina
4435.
Be resaka ohatran'Ambositra fa tsy mahaleo an'Ambodivoara
latina
4436.
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho
latina
4437.
Janga reny ka botry anaka
latina
4438.
Ny tokatrano toy ny tranon-dandy, ao anatiny vao manatevina
latina
4439.
aleo henjehin'ny omby masiaka toy izay henjehin'ny heritreritra
latina
4440.
mandeha ila ohatry ny kiraron'I Beminah
latina
Voalohany
Mialoha
146
147
148
149
150
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0224