Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4471.
Mahalava moko gn'akanga, gny fitôvany
SENATERA
4472.
Ny vala tsa mba seragnana, fa ny fo tea ro mihilagna
bileda
4473.
Ny fiarahabana toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana
vato
4474.
Toy ny rano sy vary ka an-tsaha tsy misaraka, am-bilany tsy mifanary
vato
4475.
Tsa misy vala tsa magnanika fa ny fo tea ro mihila
vato
4476.
be nangy miray fandriana ka ny any an-doha no tery
nalaina
4477.
manaketra-tena toy ny boka mijery fitaratra
nalaina
4478.
Vodi-tsobika aza mana-tandrify
FRanaivo
4479.
Ririnin-dasa tsy tsaroana
FRanaivo
4480.
Rano raraka tsy azo raofina
FRanaivo
4481.
Aza miady vitana amin'akoho fa raha hiantsena aza izy lolohavina
FRanaivo
4482.
Lamban'akoho ka faty no isarahana
FRanaivo
4483.
Sokina nanani-bato ka tapi-dàlak'aleha
FRanaivo
4484.
Valala iray ifanapahana
FRanaivo
4485.
Manalasala tahaka ny manambady vaviantitra hitositosy toa renibe avela amin'izao anjara vadin'ny tena, ka ny loa-bary sisa no andrasana
hery
4486.
Tsy mena mivadika tahaka ny tandrok'omby sodenda
zndriana
4487.
Doradora-vava any ivelany fa atao olo-moana ao an-trano
zndriana
4488.
Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matimperiny ary mivimbina ny avany dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra
zndriana
4489.
Haratsifo, tsy agnanteram-baly
SENATERA
4490.
Sakan-dahin-jompo, olom-be ny gny zaza vo zaza ny gn'olom-be
SENATERA
4491.
Halihalin-daja, mandavo olom-be
SENATERA
4492.
Tsy mampisy volo gny handry, gny hegnatsy
SENATERA
4493.
Tsy gny marary gny maty, fa gn'alan-janahary
SENATERA
4494.
Arety mora ho afaky, tsy hangariana an-tsihy
SENATERA
4495.
Gn'andro ho andro, tsy hagnarahan'aly
SENATERA
4496.
Firà gny hazo manam-pototsy, vaky gny hazo manan'ila, gny zaza nana-niteraky
SENATERA
4497.
Inomako toaky tsy ampy, amakiako gn'am-po tsy vaky
SENATERA
4498.
Kindiho gny maty, tonabe gn'an-tanà
SENATERA
4499.
Troky hasian-kany tsy asiam-bady
SENATERA
4500.
Rano ambany tanà gny hava, ndre ririny gny tagna tsy ririny gny tomboky
SENATERA
Voalohany
Mialoha
148
149
150
151
152
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0509