Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4501.
Dra to ny gny boketra teraka amany toy izay izy tsy hamoko
SENATERA
4502.
Papango nahazo sokaky, tsy nahazo fa azon-draha
SENATERA
4503.
Volom-bary nomen'olo-do, hanao magnome anazy koa mbo mandisa
SENATERA
4504.
Pokopokon-kena, tsy hanina avao no tsy am-pamaky
SENATERA
4505.
Ataoko hahasoa gny fandroana maraina kay mahamavo
SENATERA
4506.
Tsy gn'angira lava, mahavery agnomby
SENATERA
4507.
Kabaron'ny Ranomafana(F/D), hanao to zaka koa an-dragno menjy
SENATERA
4508.
Zara variky torondrehy, mavo loha tsindria mavoloha
SENATERA
4509.
Hafa gny ilavoany gny jà, izy gny maty midà
SENATERA
4510.
Hafa gny miteza gny variky, ko tegna gn'amokonany an-tratra
SENATERA
4511.
Vorom-be toboky ambony hazo, mandigny raha ho hany vo mitalaky gn'olo hitoraka anazy
SENATERA
4512.
manaotao foana toy ny jamba nanao lavaka
ndixa
4513.
manalasala toy ny marary mahalany hanina
nalaina
4514.
any de tsy hita ohatry ny saobakaka nanjono voay
nalaina
4515.
Reniakoho nopahon-tsintsina, tsy tezitra fa gaga
nalaina
4516.
tongo-bitsika natao lasopy, andrakandrana no betsaka
nalaina
4517.
Raha volombava tsy hanendrika, ahetreo ho volotratra
Rainivao
4518.
ny fitiavana maloto toy ny lomotra ambony vato ka raha diavina mandavo
ndixa
4519.
Anjeva no matavy omby ka ambohimalaza no lafo kitay
rakotomahenina76
4520.
Zanak'omby mihosy tanimbary, tsy hery fa adidy
rakotomahenina76
4521.
Manira-tena toy ny alika ho any an-tsena
mikavao
4522.
Ny tarehy no ratsy ka ny volo no aolankolana.
mikavao
4523.
Jiolahy nangalatra hono, ka ny sisa tsy maty mlanja ny hena....
tafita
4524.
AZA MALAHELO DISO LEVENANA FA MBOLA HO MARO NY MARARY
Paska
4525.
I zoky ve no manitra voninkazo sa i zandry no manitra ravinkazo no manitra andriana izany trano? Tsy i zoky no manitra ravinkazo na i zandry no manitra ravinkazo fa ny fitiava-namana no betsaka ka manitra andriana izany trano!
bozycate
4526.
mpamosavy vao mina_bao ka mivoaka @ androdiavolana
dadou
4527.
matikambo toy ny saka ny tay totofana nefa ny vody tsy firana
nalaina
4528.
Tsy ampahafirin'izay bevohoka ratsian-kena ka manaikitr'omby am-pitsanganana
sarabe77
4529.
sasatry ny miaina ka eny am-baravaran'ny mpamosavy no manao sikidy
raniry
4530.
manalasala ohatry ny vozon'akoho tanora, atao nofony toa taolana, atao taolana toa nofony
raniry
Voalohany
Mialoha
149
150
151
152
153
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0217