Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4861.
Sola manasa tarehy ka vita tsy nahy hatramin'ny loha
Falitiana2005
4862.
Banga mihomehy ka hita hatramin'ny havokavony
Falitiana2005
4863.
Manakivy tena ohatran'ny antitra mijery kibon-dranjo
Falitiana2005
4864.
manambady traky nify, atao eo aloha toa mitsikitsiky amin'ny hafa.atao aoriana toa hanaikitra.
andhy
4865.
Ny vady hono manam-pandehanana, fa nyhavana tsy azo ariana. # Ny vita-bady anefa tsy vitan-kavana
jo
4866.
kotro-baratra, akaiky mampatahotra, lavitra mahamanina.
jentilisa
4867.
sangisangy toa an'i saka ka rahefa maharary dia mamoaka hoho
rado17
4868.
Fotaka mahavoa ranjo mahavoa fe
naritsimba
4869.
Velona tsy raharahiana ka maty vao hitomaniana
danibe
4870.
Leom-boananana ka tsy tia zava-boribory
somaravo
4871.
kely masaky ny hajejoana tahaka ny voasarin'Ambohijafy.
naritsimba
4872.
aza mampiady karajia @ antitra fa ny antitra antitra ihany
dadabe
4873.
hafa ny jabely, hafa ny membo romba
kent
4874.
Mahihitra an'ombika ka mantsin-kena.
jefra
4875.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana.
jefra
4876.
Manankarena mahihitra, maty vao misy mpilanja.
jefra
4877.
Aza mitomany hena momba famaky.
jefra
4878.
Bekibo mahihitra, ny an'ny olona ihany no tadiaviny hamenoana azy.
jefra
4879.
Raha lany harena, lany haingo.
jefra
4880.
Tsy miteny fa vola baoritra.
jefra
4881.
Ny vola toy ny vahiny: tonga anio, lasa rahampitso.
jefra
4882.
Ny vola Ramangakatsahina, ny aina Ramangatahiana.
jefra
4883.
Ny fitiavam-bola no volombodin'ny mosavy!
jefra
4884.
Kitapo tama-misy vola, ka raha mikointsam-poana mahamenatra.
jefra
4885.
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia, misotroa tsingala ho faty.
jefra
4886.
Maso sy orona ka alahelo no iraisana.
jefra
4887.
Ny roa no tsara noho ny iray, raha lavo misy mpanarina.
jefra
4888.
Ny vitsy lanin'ny vitsika.
jefra
4889.
Maty tsy alevin-kavana toy ny alika.
jefra
4890.
Aza manao bekibo mahihitra.
jefra
Voalohany
Mialoha
161
162
163
164
165
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0225