Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
4921.
Rafozan-doza sy vinanto tsy vanona, tafaray samy varatra
zouzou
4922.
Rafotsibe naka harena ; hidina toa tsy hahazo, nahazo toa tsy mahazaka
zouzou
4923.
Mpikabary maloto nify, ny fiasana indray no tsy diovina
zouzou
4924.
Antoboavy toragna, loha lalagna
chichi
4925.
Teo no honiala hoy le nihaboky
salim
4926.
-Olo kola mangery andro davolagna;tsy hay lohany sy vodiny
salim
4927.
Vady vao nakatra haligny, vognonko hagnano
salim
4928.
Antobavy milefa mahalegny takatra izy nijanogno-Antoboavy mandihy aligny, izy koa tsy dadinao ialao
salim
4929.
Maty be volon-tratra hegnatra ny velogno
salim
4930.
Tsy misy tsy mafy ohatran'ny vato fa rehefa tsy miteny angerezan'ny vorona
pseudofanja
4931.
Tsy mila hatotongana ny harona vao hatao hoe tsy misy.
ftma
4932.
Fandrik'akanga nahavoa mandotra, tsy izy fa vanda
ftma
4933.
Feom-boron'ala, samy manao izay hainy
ftma
4934.
Avy vinanto marani-pangady, avy rafozana vondrak'akoho.
ftma
4935.
Fotsy vary manafina akotry
ftma
4936.
Anti-dahy mangery amoron-kady ka izy indray no latsaka alohan'ny tainy.
panjakely
4937.
Jamba milomano ka izay hidonan'ny lohany no iakarany.
panjakely
4938.
Boka mangata-pitahina, Andriamanitra ivavahana indray no ambanana totohondry.
panjakely
4939.
Maimay hivady ka dodona hisaraka
zouzou
4940.
Raha tsy mifanaja ho mpivady, aleo mifanaja ho mpianadahy
zouzou
4941.
Tsy mety raha ny havia no mody havanana
zouzou
4942.
Mitsako an-tsena, ka ny sofina no miampaga azy
zouzou
4943.
Salaka sy ravim-pitombenana: an-tsaha tsy mifandao, an-trano tsy mifanary
rlj
4944.
Raha volom-bava tsy hanendrika, ahidino ho volon-tratra
rlj
4945.
Aza kely sahy lapa tahaka ny lalitra ka hitsaba-dovia mialoha ny tompony.
MioraArielle
4946.
Mitady ny maimbo ka misaron-doha mangery
hery
4947.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
4948.
Ny nantenaina tsy azo ny an-tanana votsotra.
hery
4949.
Sokatra ilatsaham-baratra, henoy izany ry hazon-damosina
hery
4950.
Valala eny an-danitra ka asiana sira
hery
First
Previous
163
164
165
166
167
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0226