Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4891.
Diso fanantenana toy ny makorelina bevoka, vola no notadiavina moa zaza no azo
rakal
4892.
Takatra amorom-parihy tsy matory fa miery fanahy
Malalason
4893.
Aza manao hata-dava ohatran' ny saka
zouzou
4894.
Valala an-tany mena, na dia tapaka elatra aza, tsy lany paika
zouzou
4895.
tsy mangalatra manana adidy ohatran'ny fangala-bola
zouzou
4896.
Antitra manao baolina : ny traikefa avo dia avo fa ny hoza-pe no tsy maharaka intsony.
Valia
4897.
Mitabataba tonga rafozana, atody akoho no laoka ka famaky no tadiavina
razooz
4898.
Akoholahy mitsoaka papango, tsy tahotra fa tsiaro ny fahiny
razooz
4899.
Izay maharitra vady handriana
razooz
4900.
Miraparapa ohatra ny olona tsy misy maso ka tafintohana mitatao vovonana
razooz
4901.
Fodilahy ririnina, mitovy volo amin'ny sorohitra ihany
andriary
4902.
Mpivady mifanara-tsaina ka lany hatramin'ny akoho mikotrika
laolo
4903.
Sahobakaka anaty sinibe, ny tetik'ady betsaka fa ny oza-pe no tsy ampy
Falitiana2005
4904.
vitam-bady tsy vitan-kavana
poon
4905.
Sola manasa tarehy ka vita tsy nahy hatramin'ny loha
Falitiana2005
4906.
Banga mihomehy ka hita hatramin'ny havokavony
Falitiana2005
4907.
Manakivy tena toa antitra mijery kibon-dranjo
Falitiana2005
4908.
Manambady traky nify, atao eo aloha toa mitsikitsiky amin'ny hafa atao aoriana toa hanaikitra.
andhy
4909.
Ny vady hono manam-pandehanana, fa nyhavana tsy azo ariana. # Ny vita-bady anefa tsy vitan-kavana
jo
4910.
kotro-baratra, akaiky mampatahotra, lavitra mahamanina.
jentilisa
4911.
Sangisangy toa ny an'ny saka ka rahefa maharary dia mamoaka hoho
rado17
4912.
Fotaka mahavoa ranjo mahavoa fe
naritsimba
4913.
Velona tsy raharahiana ka maty vao hitomaniana
danibe
4914.
Leom-boananana ka tsy tia zava-boribory
somaravo
4915.
kely masaky ny hajejoana tahaka ny voasarin'Ambohijafy.
naritsimba
4916.
aza mampiady karajia @ antitra fa ny antitra antitra ihany
dadabe
4917.
hafa ny jabely, hafa ny membo romba
kent
4918.
Mahihitra an'ombika ka mantsin-kena.
jefra
4919.
Izay tsy mahafoy kely tsy manana ny tiana.
jefra
4920.
Manankarena mahihitra, maty vao misy mpilanja.
jefra
Voalohany
Mialoha
162
163
164
165
166
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0232