Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
4981.
Anti-dahy mangery amoron-kady ka izy indray no latsaka alohan'ny tainy.
panjakely
4982.
Jamba milomano ka izay hidonan'ny lohany no iakarany.
panjakely
4983.
Boka mangata-pitahina, Andriamanitra ivavahana indray no ambanana totohondry.
panjakely
4984.
Maimay hivady ka dodona hisaraka
zouzou
4985.
Raha tsy mifanaja ho mpivady, aleo mifanaja ho mpianadahy
zouzou
4986.
Tsy mety raha ny havia no mody havanana
zouzou
4987.
Mitsako an-tsena, ka ny sofina no miampaga azy
zouzou
4988.
Salaka sy ravim-pitombenana: an-tsaha tsy mifandao, an-trano tsy mifanary
rlj
4989.
Raha volom-bava tsy hanendrika, ahidino ho volon-tratra
rlj
4990.
Aza kely sahy lapa tahaka ny lalitra ka hitsaba-dovia mialoha ny tompony.
MioraArielle
4991.
Mitady ny maimbo ka misaron-doha mangery
hery
4992.
Tsy misy masiaka toy ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany.
hery
4993.
Ny nantenaina tsy azo ny an-tanana votsotra.
hery
4994.
Sokatra ilatsaham-baratra, henoy izany ry hazon-damosina
hery
4995.
Valala eny an-danitra ka asiana sira
hery
4996.
Jerem-potsiny ohatry ny tany nahalavoana.
hery
4997.
Miharihary toy ny vay ankandrina.
hery
4998.
Didi-maso asiam-panafody mahareta fa hanana ny soa.
hery
4999.
Manao vain-drahalahy tsy mba maharary.
hery
5000.
Tsy miady tsy miady ny kobay ankelika ihany.
hery
5001.
Na fy aza ny amalona ny lela tsy atao jono.
hery
5002.
Sotro ranon'akoho izay kely azo no andrandraina.
hery
5003.
Sotro ranon' alika farany vao misy ventiny.
hery
5004.
Nanaonao foana ohatra an'Andriamanitra nanao voay
hery
5005.
Aleo miadan-koreniny toy izay mitsatsaingoka ho vantony.
fily
5006.
Tsy mahatoky saka aho fa trondro no laoka
fily
5007.
Adala nomen-tanan'ondry, na hosoloina hofany aza tsy mety.
ftma
5008.
Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body.
ftma
5009.
Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry fa avy manaraka tahaka ny alika.
ftma
5010.
Mpikarama milanja rofia: manenjan-tsandry amin'ny an'olona
ftma
Voalohany
Mialoha
165
166
167
168
169
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.024