Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
5011.
lohalika sy laferana, izay miantraitraika no vazoka
ftma
5012.
Tsy misy mamy hoatran'ny zanaka fa rehefa manaikitra ny nono ahifika ihany.
fily
5013.
Aza te ho derain'ny alika ka mikiky taolana tsy misy hena.
mandrindra
5014.
Faran'ny omby ny hena, faran'ny teny ifanatrehana
mandrindra
5015.
Mahatoky ody voalavo angaha ianao no manao hena anjorondamba?
mandrindra
5016.
Toy ny valala voatango ka very fanahy mbola velona
mandrindra
5017.
Valala an-tany mena na tapak'elatra aza tsy lany pika.
mandrindra
5018.
Bevohoka tia tsakotsako ka ny andro iray no tsy tanty
fily
5019.
Diavolan-kakafotra ka ny omaly tsy miova
fily
5020.
boka ikala tsy renin'iny koto, boka ikoto tsy rain'i kala, boka vao misara mianakavy.
estine
5021.
vary efa eny andoharano tsy vitan'ny efa mijoro tsara nefa miondrika indray maka saina.
estine
5022.
Anarantany no ao Ambohimanambola fa ny manana ihany no manana
mandrindra
5023.
Miriorio foana toy ny angidina ka any ankady no hiafarana.
mandrindra
5024.
Salasalany toy ny akotrilahy, arahabaina tsy andriana, avela miakanjo jaky.
mandrindra
5025.
Enti-tsy zaka, avela tsy foy
mandrindra
5026.
Vidin-tsy azo, alaina mora foana
mandrindra
5027.
Varotra tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana
mandrindra
5028.
Tsy mahalala biby afa tsy ny sahona
mandrindra
5029.
Manambady traky nify atao aloha mitsiky amin'olona, atao aoriana sao hanaikitra ny tena.
naritsimba
5030.
senegaly nandro, ny tsikoko afaka fa ny hamaintisana tsy niova
haintso
5031.
Njola mangata-bady, ny zanany no angatahana ka ny reniny no atao tsara tily.
haintso
5032.
Sola mangery diavolana tsy fantatra izay lohany sy vodiny.
fily
5033.
Manao fahanteran'alika antitra vao misarigaigy.
fily
5034.
Ny teny toy ny tsinay raha rohitina mahafeno tay
mandrindra
5035.
Mipapapapa ohatran'n'ny maso voa sakay
zouzou
5036.
Ny soa atao levenem-bola fa ny ratsy atao loza mihantona
vale
5037.
Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany.
sejianis
5038.
Very maina toy ny vomanga atora-kisoa
Mandefitra
5039.
Aleo kapohina an-dalana toy izay resy an-kabary
jentilisa
5040.
Aza atositosika ny omby botry fa tsy fantatra izay hanao kambana
radox
Voalohany
Mialoha
166
167
168
169
170
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.042