Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
901.
Lahy antitra kendam-body akoho : mahazo fanjakana vao mivadi-boamaso ; tonga ny valim-pitia vao voa totohondry an-katony.
yveratsimb
902.
Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo ateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara
yveratsimb
903.
Manam-bady ny lava, tsy mindran-tohatra intsony ; manam-bady fohy, mitahiry tapak’aponga ; manam-bady ny loza be, mitahiry varatra an-trano
yveratsimb
904.
Andevolahy mamosavy tompo : voky hena indray andro fa hiongo-belona herintaona.
yveratsimb
905.
Mioty manta ka leony, miringiringy ka potraka
yveratsimb
906.
Haitraitran'olombelona, zaka-Nanahary, fa Andriamanitra ihany no mandidy.
yveratsimb
907.
Mandeha irery, sahalain'Andriamanitra, mandeha roa, sahalain'olombelona.
yveratsimb
908.
Mpisakaiza toa mpiombon-dray, mpifankatia toa mpiombon-dreny
yveratsimb
909.
Amin'Andrianampoinimerina ny ranomasina no valamparihy. Ny antsika kosa ny fofon'aina no fetram-pitia
yveratsimb
910.
Aza atao fitiavan-jaza ka androany aho tia, rahampitso aho bedin'ny dada, afaka ny ampitso aho tia olon-kafa.
yveratsimb
911.
Nahoana no ho tia vao ka manary kolokolo ?
yveratsimb
912.
Aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranonorana ho avy
yveratsimb
913.
Aza atao fitia voangivy, mbola lavitra ihany ka kivy
yveratsimb
914.
Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory ; fa izay mitapi-maso hahazo ozona be
yveratsimb
915.
Aza manao lahy antitra mahazo lamokan'atody akoho, ka tsy mitadi-zafy intsony.
yveratsimb
916.
Tantely be ronono ny fitiavana ka arakaraky ny hizaranao azy no vao maika ahazoana fifaliana.
yveratsimb
917.
Vorombola miaraka amin'ny akoho, miala fa tsy havanay.
yveratsimb
918.
Misotro rano an-tanam-bady tsy hetaheta fa angolangola.
yveratsimb
919.
Aza atao toy ny fanjaibe hazo ny fitiavana, very tsy mampamoifo, hita tsy mahafaly
yveratsimb
920.
Miarahaba mamba, tsy fitia fa tahotra
yveratsimb
921.
ny teny ierana tsy mba loza ; tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina.
yveratsimb
922.
Ny Havana aza mba hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana
yveratsimb
923.
Ny be no basy
yveratsimb
924.
Akoholahy jamba ka ampiadiana tsy mety miady, apetraka mitsaingoka ny namany.
aivetinakely
925.
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan'aina, raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
aivetinakely
926.
Volom-bodin'akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian'ny namany.
aivetinakely
927.
Akoholahy manakokokoho vavy: tsy hanin-kahavoky, fa volan-kifanajana.
aivetinakely
928.
Akoholahy miady am-pasika, ka samy miaro ny masony tsy ho ditsoka.
aivetinakely
929.
Adin'akoholahy vorombato: ny mahery disadisa, ary ny resy torotoro.
aivetinakely
930.
Lany hatoka hoatra ny akoholahy matin'ady.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
29
30
31
32
33
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0137