Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
991.
Asesiky ny fitia sy ny hanina azy ka tsy mahalala masoandro ho faty
yveratsimb
992.
Voamena maniho ariary
yveratsimb
993.
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra
yveratsimb
994.
Tafita aloha, alalan' ny aoriana
yveratsimb
995.
Ny hetaheta tsy afa-dronono
yveratsimb
996.
Lambo mitsako moka, ka sitrany ahay vaza-mihetsika
yveratsimb
997.
Akondro mahia misy masaka ka saro-dazaina amin-kavana
yveratsimb
998.
Raha soasoa no ataon-dRahavana, izaho irery mahatankadivory, roa lahy mahatana arivo
yveratsimb
999.
Kibo mikoraraika: ny tompony no mahalala
yveratsimb
1000.
Kapila voahitsaka: mirefotra ihany fa any ambany faladia
yveratsimb
1001.
Mpamosavy milevina amoron-dalana: ny valin-kitsaka no tsy tanty
yveratsimb
1002.
Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana
yveratsimb
1003.
Diamangam-boka: hehy no farany
yveratsimb
1004.
Manao halo-pozan' ny mondry izy, ka mitoto azy ho mafy
yveratsimb
1005.
Aza manaketra-tena, toy ny boka mizaha fitaratra
yveratsimb
1006.
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany
yveratsimb
1007.
Mitsofa maina ohatra ny tsofa ben' Andohalo
yveratsimb
1008.
Misorom-bady an-trano ka ny tena ihany no voa
yveratsimb
1009.
Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body
yveratsimb
1010.
Manisa be tsy ho an' ny tena ohatra ny vady tokantrano mason' ny mpanankarena
yveratsimb
1011.
Mitsaha-pilàna ohatra ny mpivaro-baliha maty vady
yveratsimb
1012.
Vantotr' omby minono tsy mandoza fa mahatsiahy ny ela
yveratsimb
1013.
Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany
yveratsimb
1014.
Tain' angely ka samy manilika ny eo am-baravarany
yveratsimb
1015.
Aza manao fikitra mampiady angely
yveratsimb
1016.
Ny olombelona toy ny embok' akondro: raha manondro lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny holafiny
yveratsimb
1017.
Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
yveratsimb
1018.
Dridran' Ingilo: andrasan-ko sitrana vao manapa-kozatra
yveratsimb
1019.
Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina
yveratsimb
1020.
Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
32
33
34
35
36
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0133