Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
991.
Aza asesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ny ranon'orana ho avy
yveratsimb
992.
Aza manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no ho miakatra ihany
yveratsimb
993.
Longo ratsy tsy menatra izay hitsoriaka
yveratsimb
994.
Atody tsy afindra reny ; ro tsy afindra vilany
yveratsimb
995.
Ny tsikalakalan-karena manam-pahalaniana, fa ny tsikalakalam-pihavanana tsy manam-pahalaniana
yveratsimb
996.
Fihavanan' ny Mamoladahy : tsy mihavana roa taona
yveratsimb
997.
Ny fihavanana tahaka ny volonkotona : hatonina, manalavitra ; halavirina, manatona
yveratsimb
998.
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano azo lakanana; lalina ny hady,azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra
yveratsimb
999.
Ny fanompoana tahaka ny lanitra, ka samy miloloha ny tandrifiny avy.
yveratsimb
1000.
Kary mihomehy ny vorondolo, ka ny mandady indray no mihomehy
yveratsimb
1001.
Tahaka ny jiafotsy : vao, tsy ilaozan-kasokasoka, rovitra tsy hilaozan-dromoromo
yveratsimb
1002.
ny iray tsy tia mafana, ary ny iray tsy tia mangatsiaka : ka ataovy ny marimaritra iraisana
yveratsimb
1003.
Toy ny rano am-pasika ; natao tsy hisy fa nisy ihany
yveratsimb
1004.
Ataovy vikina alina ny fiainana, aleo manana amby toy izay tsy ampy.
aivetinakely
1005.
Ny ela nandeferana , tsy voatazon-tsonia fito.
aivetinakely
1006.
Amalon'iMoriandro, tsy hain-jaza , tsy haim-behivavy.
aivetinakely
1007.
Aza malady hofana toa amalon-kely.
aivetinakely
1008.
Lon-damba sy fahenim-bary ; ka izay maharitra ela dia herinandro.
yveratsimb
1009.
Tsy nahin’ny sosoa no nitobaka, fa ny mpandoatra no vinitra.
yveratsimb
1010.
Tsy mahafoy vola hamidy takotra, ka manta vary.
yveratsimb
1011.
Jejo mitaratra ka lany andro eo ampifidianana.
aivetinakely
1012.
Vary aloha , mahatra-po fa tsy mahavita taona.
aivetinakely
1013.
Tsy misy manao soa tahaka ny vilany , fa rehefa lany ny mamy ahohoky ny sasany.
aivetinakely
1014.
Trandraka milevina, ny volontany tsy ariana.
aivetinakely
1015.
Fahaizana tsy ombam-pahendrena , tsy henika satro-boninahitra.
aivetinakely
1016.
Alika mivovo, tsy hery fa tahotra.
aivetinakely
1017.
Volamena notaingenam-boahangy, tafahaona samy mamiratra.
aivetinakely
1018.
Akohokely paohin'ny papango, very vao misidina ambony.
aivetinakely
1019.
Rano atami-bato ny maniasia no betsaka.
aivetinakely
1020.
Ombilahy isangodinan'ny menarana, ka raha omby ny vavany tonon'andro ny ho faty.
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
32
33
34
35
36
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.014