Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1081.
Aza manao fikitra mampiady angely
yveratsimb
1082.
Ny olombelona toy ny embok' akondro: raha manondro lanitra, iray ihany, fa raha miondrika, samy manana ny holafiny
yveratsimb
1083.
Amboalahy miandry embok' akondro: andrasana tsy latsaka, ilaozana toa hena
yveratsimb
1084.
Dridran' Ingilo: andrasan-ko sitrana vao manapa-kozatra
yveratsimb
1085.
Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina
yveratsimb
1086.
Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe
yveratsimb
1087.
Izay fatra-pandà ihany no manaiky
yveratsimb
1088.
Izay fatra-piahiahy mpamosavy
yveratsimb
1089.
Aza atao vato tsindry hahazana, karaha maloka ny andro atsipy
yveratsimb
1090.
Ilay nahandro vato: raha ny rony dia masaka
yveratsimb
1091.
Alahelon-dehilahy tsy maharitra hateloana
yveratsimb
1092.
Halavoan-dehilahy: manongalika
yveratsimb
1093.
Manary andro toy ny lehilahy mitsongo anana
yveratsimb
1094.
Ny henamaso ombalahy
yveratsimb
1095.
Kalon' antitra ka tany no farany
yveratsimb
1096.
Ny mahia zokin' antitra
yveratsimb
1097.
Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana
yveratsimb
1098.
Ny mandeha tsy zoto, ny mijanona tsy laina
yveratsimb
1099.
Ilay kamo mivady: ny lahy tsy tia harahara, ny vavy tsy tia vody tenona
yveratsimb
1100.
Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany
yveratsimb
1101.
Zatra ny antohojinga ka tsy velon' ny an-kararà na
yveratsimb
1102.
Taolana ny nify ka mihomehy
yveratsimb
1103.
Bitsibitsiky ny lava nify, ny lavitra indray no mandre aloha
yveratsimb
1104.
Lany hena alohan' ny olona ka ny nify no aolanolana
yveratsimb
1105.
Raha baka mahay manorirana ianao, izaho mba kirongo tsy misy hidirana
yveratsimb
1106.
Varotry ny manano tena ka raikitra vao tora-kovitra
yveratsimb
1107.
Aza manao vazaha fito an-trano
yveratsimb
1108.
Amoron' ala tsy manan-trano be
yveratsimb
1109.
Mitafa amin' ny mpanankarena ka raha tonga mitain-kidin-trano
yveratsimb
1110.
Fatra-pifehy trano
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
35
36
37
38
39
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0183