Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1141.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena
yveratsimb
1142.
Misao-bady tanora, ka manome zara ho an'ny hafa
yveratsimb
1143.
ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
yveratsimb
1144.
Afo mandoro, sady sakaiza no fahavalo
yveratsimb
1145.
Manatsafa mahita toy ny mpaka afo
yveratsimb
1146.
Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana, ny vody lanin'ny moka tsy heverina
yveratsimb
1147.
Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy
yveratsimb
1148.
izay iray vatsy, iray aina
yveratsimb
1149.
teny malemy mahamora fihavanana
yveratsimb
1150.
Fitia lamban'akoho ka aina no fetra
yveratsimb
1151.
Aza manao fitia rano trambo : be fihavy, ka mora lasa
yveratsimb
1152.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana, toy ny fary lava vangy
yveratsimb
1153.
Ny vava no tsy atao be, ny mamerina azy no tsy laitra
yveratsimb
1154.
valala mbola an-danitra ka asian-tsira
yveratsimb
1155.
Akoho tsy naneno ohatr'izay lanin'ny kary
yveratsimb
1156.
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary
yveratsimb
1157.
Sarotra tadiavina ohatran'ny Sinoa rastà .
Kotozafy2012
1158.
Latsaka anaty toy ny vavaky ny moana
DARInts
1159.
Mitsaha-menomenona hoatra ny vary sosoa voatondraka.
niryna
1160.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela
niryna
1161.
Ny fahazarana no lasa toetra ka fikiro izay fahazarana tsara.
niryna
1162.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
1163.
Ny soa fianatra,ny lasa no mampianatra ny ho avy .
niryna
1164.
Aza mandany andro mijery ny lasa.Ny ho avy no banjino.
niryna
1165.
Amin'ny fihainoanao ny hafa dia efa mankahery azy hianao .
niryna
1166.
Aza mody milaza fa tsy tompon'andraikitra amin'ny zavatra atao.Andriamanitra irery no mahalala ny ao am-po tsy miafina.
niryna
1167.
Sendra masaka tokony hihinana Avy tsy asaina nasesiky ny razana.
niryna
1168.
Aza miteny hoe tsy vitako io ,manana finoana fa vitanao io
niryna
1169.
Haremberi-foana toy ny menaka ahosim-bazimba
niryna
1170.
Andriamanitra tsy tia ratsy.
niryna
Voalohany
Mialoha
37
38
39
40
41
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149