Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1051.
Fihavanan-takatra, ka ory miara mitokiky,faly miara mitokaka
yveratsimb
1052.
Aza manao toa ny saka, hiady vao mifampitsodrano
yveratsimb
1053.
Raha indray mandeha no misambo-bary ka tsy mahazo, aza mandoro ny fatam-bary
yveratsimb
1054.
Ny fifalian'ny sasany toa fahorian'ny hafa, ny sakafon'ny sasany toa poizina mifono ho an'ny hafa
yveratsimb
1055.
Ny fahafatesana lalan-kiraisana ihany fa tombon-dalana no an'ny lasa
yveratsimb
1056.
Ny alahelo toy ny rahona, raha mavesatra mianjera
yveratsimb
1057.
Asesiky ny fitia sy ny hanina azy ka tsy mahalala masoandro ho faty
yveratsimb
1058.
Voamena maniho ariary
yveratsimb
1059.
Maniry manitra ohatra ny alika miambozon-koditra
yveratsimb
1060.
Tafita aloha, alalan' ny aoriana
yveratsimb
1061.
Ny hetaheta tsy afa-dronono
yveratsimb
1062.
Lambo mitsako moka, ka sitrany ahay vaza-mihetsika
yveratsimb
1063.
Akondro mahia misy masaka ka saro-dazaina amin-kavana
yveratsimb
1064.
Raha soasoa no ataon-dRahavana, izaho irery mahatankadivory, roa lahy mahatana arivo
yveratsimb
1065.
Kibo mikoraraika: ny tompony no mahalala
yveratsimb
1066.
Kapila voahitsaka: mirefotra ihany fa any ambany faladia
yveratsimb
1067.
Mpamosavy milevina amoron-dalana: ny valin-kitsaka no tsy tanty
yveratsimb
1068.
Toha latsaka am-bovo: mazava andro idirana fa maizina andro ivoahana
yveratsimb
1069.
Diamangam-boka: hehy no farany
yveratsimb
1070.
Manao halo-pozan' ny mondry izy, ka mitoto azy ho mafy
yveratsimb
1071.
Aza manaketra-tena, toy ny boka mizaha fitaratra
yveratsimb
1072.
Tery omby ririnina ka atao izay tsy hankahia ny reniny ary tsy hahabotry ny zanany
yveratsimb
1073.
Mitsofa maina ohatra ny tsofa ben' Andohalo
yveratsimb
1074.
Misorom-bady an-trano ka ny tena ihany no voa
yveratsimb
1075.
Adala vady reny anaka ka mirakitra amin-karon-doa-body
yveratsimb
1076.
Manisa be tsy ho an' ny tena ohatra ny vady tokantrano mason' ny mpanankarena
yveratsimb
1077.
Mitsaha-pilàna ohatra ny mpivaro-baliha maty vady
yveratsimb
1078.
Vantotr' omby minono tsy mandoza fa mahatsiahy ny ela
yveratsimb
1079.
Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany
yveratsimb
1080.
Tain' angely ka samy manilika ny eo am-baravarany
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
34
35
36
37
38
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.022