Accueil
Insérer
Liste
Catégories
Inscription
Connexion
Liste des proverbes
Liste de tous les proverbes
Insérer un proverbe
1021.
Kely vola ka mitatatra alohan'ny maro.
aivetinakely
1022.
Ny teny toy ny fonosana, ka izay mamono no mamaha.
yveratsimb
1023.
Ny tena marina ohatry ny fia-pary, ka na lava aza, tsy lany hamamiana
yveratsimb
1024.
Anantsinahy va aho ka atao ambony vary ?
yveratsimb
1025.
Ny lainga toy ny vary aloha, mahatra-po, fa tsy mahavita taona
yveratsimb
1026.
Ny fihavanana tsy azo vidina
yveratsimb
1027.
Mifankatia amin'ny amalona, ka nony sendra tia, nabolilany
yveratsimb
1028.
Anao aho ka mora, fa raha an'olona aho dia sarotra
yveratsimb
1029.
Setroka sy tomany tsy mba sarotra fantarina
yveratsimb
1030.
Ny faty mpanazakazaka, ary ny aretina vadin-koditry ny olombelona
yveratsimb
1031.
Tsy ny fanambadiana no taloha, fa ny fihavanana
yveratsimb
1032.
Ny fihavanana toa fasambazimba, ka izay mandrava aloha no tapak'ila
yveratsimb
1033.
Havana tsy fantatra, naman’ny tsy havana
yveratsimb
1034.
Adala nomen-tanan'ondry , na soloana ofany aza tsy tia.
aivetinakely
1035.
Maivan-tsaina tahaka ny angidina, akanjo manify no enti-mirehareha.
aivetinakely
1036.
Ny teny toy ny antsy, izay maranitra no adidy.
aivetinakely
1037.
Be tsy misaina tahaka ny vato, tsy miteny ka taingenam-borona.
aivetinakely
1038.
Vahiny an-trano tokana, raha tsy maty voky ,maty noana.
aivetinakely
1039.
Miara-monina amin-dRakalamoana ka ny baiko andratsana no be.
aivetinakely
1040.
Izay fatra-panova vady rava harena.
aivetinakely
1041.
Aleo manambady fanahy toy izay manambady tarehy.
aivetinakely
1042.
Aza atao hantan-kankana ka tapaka eo ampiolehana.
aivetinakely
1043.
Mafanafana tahaka ny ratsy atao an-kavana.
aivetinakely
1044.
Tsy mba tsiriry vorona, ka manifi-drano dia lasa, fa tsiriry ahitra, ka lo eo an-tany naniriany
yveratsimb
1045.
Vorom-bola miaraka amin'akoho, mialà fa tsy havanay
yveratsimb
1046.
Vano am-balam-parihy ihany mantsy aho, ka raha tazanina toa avo dingana, hatonina kely fingotra
yveratsimb
1047.
Tsy misy adala tahaka ny akoho, fa nony hariva ny andro, mahalala mody
yveratsimb
1048.
Tahaka ny kibon'omby ririnina, ka mitondra tapany lava
yveratsimb
1049.
Rafotsibe leom-boanjo ka tain’ondry avy no andosirana
yveratsimb
1050.
Ny fitiavam-boangory tsy anenjeham-boantay
yveratsimb
First
Previous
33
34
35
36
37
Next
Last
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0139