Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1111.
Tsy misy misambo-balala ho an-janak' olona
yveratsimb
1112.
Aza manirina olona tsy afaka aina
yveratsimb
1113.
Vato am-balamparihy: raha tsy hitan' ny antsy raha fahavaratra, hitan' ny angady raha lohataona
yveratsimb
1114.
Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy
yveratsimb
1115.
Aza mitoto vary an-trano fohy loha
yveratsimb
1116.
Ny olona handrandrana no hanafenan-doha sola
yveratsimb
1117.
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha
yveratsimb
1118.
Ny tarehy an-dRahiratra fa ny vintana an-dRatsitamorainy
yveratsimb
1119.
Tendrombohitra fandrian' ny zavona; lohasaha fandrian' ny moka; sakeli-drano fandrian' ny mamba; izaho, kely fandrian' ny saina
yveratsimb
1120.
Tendrombohitra sy zavona: mihaona toa tsy hisaraka, misaraka toa tsy hihaona.
yveratsimb
1121.
Mandrara homana ohatra ny goaika
yveratsimb
1122.
Amboa homana ondry, ka ny fo no manefa
yveratsimb
1123.
Akoholahy mikohokoho vavy; tsy hanin-kahavoky fa voninahitra ifanomezana
yveratsimb
1124.
Varifitoventy mahatapaka ny vozon' akoho
yveratsimb
1125.
Tsy hadalan' ny akoho no itoerany an-joro fa toeram-boazara
yveratsimb
1126.
Akoholahy miady am-pasika : samy miaro ny masony tsy ho ditsika
yveratsimb
1127.
Izay sahy maty no mifono lambamena
yveratsimb
1128.
Ny mahay rano ihany no maty an-drano
yveratsimb
1129.
Ny tsihy no fola-mandefitra, fa ny olona tsy fola-mandefitra
yveratsimb
1130.
Ikala adala ambody tenona, sady tsy hitohy ny maito no tsy hanala kambana
yveratsimb
1131.
Ny zaza mihanta amin-dray aman-dreny saro-miory
yveratsimb
1132.
Zazavavy tsy endrehindamba sarika; tsy adidiko tsy adidin-drainy
yveratsimb
1133.
Ny fitia sora-damba
yveratsimb
1134.
Tantely afa-drakotra ka anjakan'ny bodo sy adala
yveratsimb
1135.
Ny vary tsy ilaozan' akatatra, tanàna tsy ilaozan' adala
yveratsimb
1136.
Tendrombohitra tsy ilaozan' ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan' adala, kabary be tsy ilaozan-diso
yveratsimb
1137.
Ady amin'adala, ny manam-panahy no mandefitra
yveratsimb
1138.
Mangidy vao ny alahelo
yveratsimb
1139.
Trafo-kena ome-mahery, am-bava homana, am-po mieritra
yveratsimb
1140.
Mati-kenamaso, ka homam-barim-boka
yveratsimb
Voalohany
Mialoha
36
37
38
39
40
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0141