Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1201.
Ny olombelona ladin'akondro, mifanindry fa tsy mifamono.
aivetinakely
1202.
Haren-dany tsy mba harena.
aivetinakely
1203.
Fiainan'ny mpifankatia, ny te-hifankahita no mandany ny andro.
aivetinakely
1204.
Matin-kenamaso ka homam-barim-boka
yveratsimb
1205.
Hafahafa fitia sifotra ka ny tamenany indray no ariana
yveratsimb
1206.
Aza atao toy ny fively amponga ny fihavanana ka ny iray ambaviny tambatambazana, ny iray andahiny dobodobohana
yveratsimb
1207.
Mpitovo mananatra ny mpanambady, ka hendry tsy manan-ko an-tena
yveratsimb
1208.
Misao-bady tanora, ka manome zara ho an'ny hafa
yveratsimb
1209.
ny marina toy ny afo, raha fonosina mandoro
yveratsimb
1210.
Afo mandoro, sady sakaiza no fahavalo
yveratsimb
1211.
Manatsafa mahita toy ny mpaka afo
yveratsimb
1212.
Be famangotra toa rambon'osy, ny lanitra tsy hianjera no tohanana, ny vody lanin'ny moka tsy heverina
yveratsimb
1213.
Aza atao tsy tiako bika, tsy tiako tarehy
yveratsimb
1214.
izay iray vatsy, iray aina
yveratsimb
1215.
teny malemy mahamora fihavanana
yveratsimb
1216.
Fitia lamban'akoho ka aina no fetra
yveratsimb
1217.
Aza manao fitia rano trambo : be fihavy, ka mora lasa
yveratsimb
1218.
Ny fitiavana dia tsy lany hamamiana, toy ny fary lava vangy
yveratsimb
1219.
Ny vava no tsy atao be, ny mamerina azy no tsy laitra
yveratsimb
1220.
valala mbola an-danitra ka asian-tsira
yveratsimb
1221.
Akoho tsy naneno ohatr'izay lanin'ny kary
yveratsimb
1222.
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary
yveratsimb
1223.
Sarotra tadiavina ohatran'ny Sinoa rastà .
Kotozafy2012
1224.
Latsaka anaty toy ny vavaky ny moana
DARInts
1225.
Mitsaha-menomenona hoatra ny vary sosoa voatondraka.
niryna
1226.
Aza mitaitay toy ny fitia tsy ho ela
niryna
1227.
Ny fahazarana no lasa toetra ka fikiro izay fahazarana tsara.
niryna
1228.
Ny fahadalana no mampianatra ny fahendrena.
niryna
1229.
Ny soa fianatra,ny lasa no mampianatra ny ho avy .
niryna
1230.
Aza mandany andro mijery ny lasa.Ny ho avy no banjino.
niryna
Voalohany
Mialoha
39
40
41
42
43
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0345