Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1291.
Tsy misy afaka anome torohevitra tsara ho anao raha tsy hianao irery ihany
niryna
1292.
Aza midoka-tena ,aleo ny hafa no hiteny izany.
niryna
1293.
Sihanaka voadakan'omby,ka matin'ny hasarotan-dronono.
niryna
1294.
Aza manao takorobabon'akoho:ny iray fisiam-potsimbary,ary ny iray fisian'akotry.
niryna
1295.
Ataovy toy ny toetr'andro ka na iza manome tsiny dia tsy miova izy.
niryna
1296.
Ny hazo tapahina manam-pototra, ny hazo vakina misy ilany, ny teny atao misy farany.
niryna
1297.
Aza manositosika ny tsy manombika
niryna
1298.
Sitraka enti-matory,ka valian-draha mahatsiaro
niryna
1299.
Toy ny sakay ao anaty tavoahangy ny fiainana,izay nohaninao anio no havoaka rahampitso.
niryna
1300.
Sasa forin'ny maro anaka, iray loak'aty dia roa topatopa!
sejianis
1301.
Rangahibe naka rafy, ka mampitondra ny tsy eran'ny aina!
sejianis
1302.
Nilatsahan'ny varatra eo am-pangerena, ka sady maty no mihosontay!
sejianis
1303.
Manampoiza ra-voantay,fa teny ambony vato ny ankizy no nangery!
sejianis
1304.
fandrosoana tsy fantatra hoaiza toy ny jamba mianefitra
milofo
1305.
Ratsy tarehy be vody, mivalapatra vao higagana Voalavo sasatry ny miaina, saka matory no ala-bolombava
Gagagagagasy
1306.
te ho deraina otran'ny olitra kely ka ,any anaty tay avy no manao akisitrika
kouily
1307.
Mpangalatra nahafaty Mpamosavy ka matin'olon-dratsy ny olon-tsy vanona
RAINIJE
1308.
Aza mifampidera vady mahay mandihy, fa aoka ny sandry no hitsara azy.
hajaxy
1309.
tsikovo-drano, foza voatango: lalina fisaina fa ho ritra ny rano.
itaramasoandro
1310.
Valala ela nanidina folak’elatra: raha mahafoy ahy mba foiko.
itaramasoandro
1311.
fitia miara-maniry, ka raha lany ny anao dia lany koa ny azy.
itaramasoandro
1312.
raha tanora tsy ho jejo dia aleo maty ho razana.
itaramasoandro
1313.
indrindra hiseo ihany dia mananety; fa indrindra raha tsy hiseo ihany, dia aleo mitoto-bozaka.
itaramasoandro
1314.
raha eken-drabevoha aza, raha tsy eken-drafara tsy tapaka.
itaramasoandro
1315.
marary manetsa; mifidy na hantsaka na haka kitay.
itaramasoandro
1316.
sitry mahay vato, osy mahay harana.
itaramasoandro
1317.
aza mikiraro ambony kitay, ka manao laniala am-pisoronan’afo.
itaramasoandro
1318.
trafo-kena ome-mahery: am-bava homana, am-po mieritreritra.
itaramasoandro
1319.
toy ny mason’ny mpandrary: mijery ny an-kazony, mandinika ny andalan-drambony.
itaramasoandro
1320.
raha mararin-teny, aza mitakarina.
itaramasoandro
Voalohany
Mialoha
42
43
44
45
46
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0164