Fandraisana
Hampiditra
Lisitra
Sokajy
Hisoratra anarana
Hiditra
Lisitry ny ohabolana
Lisitry ny ohabolana rehetra
Hampiditra ohabolana
1321.
akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina dia tohan’aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela.
itaramasoandro
1322.
izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina.
itaramasoandro
1323.
angamenavava ka samy mitsilo ny alehany.
itaramasoandro
1324.
Ny tsy anapenana sy amonoana ny làlamboahangy hono, tahotry ny hanan-tsiny amin'ny Mpahary sy ny mpiara-belona.
mianjy
1325.
Ny tsy anapenana sy am0onoana ny làlamboahangy hono, tahotry ny hanan-tsiny amin'ny Mpahary sy ny mpiara-belona.
mianjy
1326.
Fiara nihazo ny lala-mideza hono, ka aza araninina ny fisosany fa mamitaka!
mianjy
1327.
Tanora tsy miby, tsy mibà; efa antitra vao mikopila kopà!
mianjy
1328.
Haingo diso an'Iarivo, eny Ambatolampy vao mametaka kiraro!
mianjy
1329.
Kristianian alahady, alatsinainy mangalatra akoho.
mianjy
1330.
Kristianina alahady, alatsinainy mangalatra akoho!
mianjy
1331.
Kristianina alahady, alatsiainy mangalatra akoho!
mianjy
1332.
Mpamosavy vita Batemy (Batisa), veloma ny kary anaty vato sy ny vorondolo anaty vero!
mianjy
1333.
Andevo tokana an-trano, raha tsy maty voky, maty iraka!
mianjy
1334.
ny saina toy ny havitra: koa raha tsotra loatra, tsy mitondra; ary raha melo-doatra, mipaoka izay tsy hopaohina.
itaramasoandro
1335.
aza manao masoandro avy atsinana ka ny avo ihany no taingenana; fa manaova masoandro avy andrefana ka izay mivoha tsidihana avokoa.
itaramasoandro
1336.
tsy misy mateza milevina hoatra ny voalavo, fa raha mitranga izy dia hanin'ny saka.
itaramasoandro
1337.
Be molitra mihinana voatavo ka tafahaona samy matevina
jobo
1338.
omby mhia tsy lelafin'ny namany.
hussein
1339.
Manaova toy ny vary , tsy vitan'ny efa mijoro fa miondrika koa maka saina
aivetinakely
1340.
Ny olom-belona tsy main-tsy lena, samy tsy ilaozan'ny alahelo sy hafaliana
aivetinakely
1341.
Tanora sarak'olon-tiana, ny sento no fanafody manamaivana
aivetinakely
1342.
Aza atao fitia voazara, ny tandrify azy indray no tsy henika
aivetinakely
1343.
Mampaka-bady maika loatra, ny tarehy no voajery, ny fanahy natao sorona
aivetinakely
1344.
Na fy aza ny amalona , ny lela tsy atao jono
aivetinakely
1345.
Boka mitaingindakana; izay itodiany no iampitàna
aivetinakely
1346.
Mitarehim-boahangy, fa mitoetran'alika, aleo mitazona ny an'ny tena
aivetinakely
1347.
Ny mipetraka tsy laina, ny mandeha tsy zoto
aivetinakely
1348.
Adala nomen-tanan'ondry ka na soloana ofany aza tsy tia
aivetinakely
1349.
Ataovy toy ny fanolotra atody ka atolotra mbamin'ny akorany
aivetinakely
1350.
Ataovy fitiavan-dandy ka ao anatiny manatevina
aivetinakely
Voalohany
Mialoha
43
44
45
46
47
Manaraka
Farany
©
Eugene Heriniaina
- serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0458